5 ôktôbra 2023 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahenina amby roapolo Mandavantaona — Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 10, 1-12)

Ry kristianina havana! Omaly ny Evanjelin’i Masindahy Lioka niresaka tamintsika mahakasika ny fiantsoan’Andriamanitra ka nilazan’i Jesoa ireo antony mahatonga antsika hisalasala na ny antony manakana antsika tsy hamaly na handeha avy hatrany raha miantso antsika i Jesoa. Mbola mitohy io fitantaran’i Masindahy Lioka io momba ny nifidianan’i Jesoa roa amby fitopolo hafa, ankoatra ny roa ambin’ny folo lahy Apôstôly, ary nanirahany azy ireo. Noresahantsika omaly fa matoa isika antsoina dia hirahina ary izany no miandry ireo manoina ny antso ka miroso amin’ny fanokanan-tena ho pretra sy ho relijiozy; ary araka ny nambara omaly dia isika rehetra no irahina noho ny batemy noraisintsika. Eto dia maniraka ireo olona nofidiany i Jesoa: maniraka azy tsiroaroa satria tsara kokoa ny roa noho ny iray. Ny votoatin’ny iraka atao sy ny torolanana amam-pampianarana dia mitovy ihany na ny an’ireo Apôstôly na ireto hafa ireto eny fa ho antsika ankehitriny ihany koa dia tsy inona fa ny tokony hananana fahatokisana an’Andriamanitra, ny fitoriana ny Fanjakan’Andriamanitra indrindra indrindra, ary ny fanasitranana ireo marary. Maro ireo fepetra napetrak’i Jesoa ho an’ireo hirahiny fa toy ny omaly ihany dia mbola hamafisiny androany ny hoe eo am-panatanterahana ny iraka ampanaoviny antsika noho isika nofidiany sy irahiny dia tokony ho afaka mandrakariva isika, izany hoe “libre” ary tsy tokony hisy zavatra hafa mihitsy manembatsembana na manelingelina antsika hanatanteraka izany iraka izany. Ekena fa olombelona isika fa na izany aza dia manana safidy malalaka tsara isika ho afaka manana izany fahafahana tanteraka izany.

Anisan’ny baikon’i Jesoa maniraka ihany koa ny hanentanana sy hanambarana amin’ny olona fa efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra ka tokony hiomana amin’izany izy ireo. Amin’izay maha akaiky ny fahatongavany izay indrindra no tsy tokony hanariantsika izay tokony handray ireny iraka ireny fahasoavana, eny fa na dia ny fiadanana antsoin’ireo tonga mirary an’izany any amintsika any ihany aza araka ny baikon’i Jesoa. Amin’izany fahatongavany izany manko dia hitoetra mandrakizay ao amin’izay rehetra mandray azy Izy, hanome ny tena fiadanana marina sy ny hafenoan’ny fiainana izay imatimatesan’ny olombelona rehetra ny fitadiavana azy, fa tsy sanatria ilay nolazain’i Jesoa teo hoe fiampangana vokatry ny vovoka nahintsana noho ny tsy fandraisana azy ireny.

Tsy nijanona tamin’ireo Apôstôly ireo ihany anefa ny fifidianana olona hirahina sy hiasa ao amin’ny Eglizy fa mitohy mandraka ankehitriny. Isika manko ankehitriny no apôstôlin’ny taonjato iainantsika izao. Taonjato tsy mitovy amin’ny niainan’ny taloha fa efa manana ny fomba amam-panaony manokana sy miavaka ary mandroso tokoa raha tsy hilaza afa-tsy ny maha tontolo nomerika ny iainantsika ankehitriny. Tsy mora ny miandry antsika satria efa nofaritan’i Jesoa tamin’ny iraka nampanaoviny fa hirahina ho eo afovoan’ny ambodia isika. Tsy sanatria izao tontolo izao no ambodia fa isika kosa anefa no hirahina ho fanasina sy fahazavana ho azy ireo. Hamafisina hatrany fa manentana antsika ny mpitarika antsika ao amin’ny Eglizy izao mba hiara-dia hanefa iraka iombonana, koa aoka isika hirotsaka ary hazoto hanefa izany iraka izany, hanatanteraka am-pitiavana ireo fepetra takiana amintsika amin’izany.

Jesoa Tompo ô! Misaotra Anao izahay amin’ny fitiavanao anay olombelona. Tianao hiombom-piainana Aminao sy amin’Andriamanitra Ray izahay rehetra ka tsy sasatra Ianao ny miantso olona hanomana sy hitarika anay ho amin’izany. Tompo ô, omeo apôstôly vonona sy mahafoy tena ny Eglizinao. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 18 nôvambra 2024

  • Nifarana ny 15 nôvambra 2024, ny Fihaonamben'ny Ekipan'ny Aumônerie Catholique des Prisons, izay notanterahana teny amin'ny Cénacle Ambohipo...
  • Nosokafana sy notokanana ny 17 nôvambra 2024, ny Distrika vaovao ao amin'ny EKAR Ave Maria Ampandroantsiriry, ao amin'ny Diôsezin'i Toamasina...
  • Voalahatra handalo fotsiny izao rehetra izao, fa i Kristy no mitoetra mandrakizay. Io no votoatin'ny fampianaran'ny Papa François, nandritra ny vavaka Angelus, ny 18 nôvambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...