Talata 17 marsa 2020 — Herinandro fahatelo amin'ny Karemy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 18, 21-35 — Tsy ny hahafatesan'ny ratsy fanahy no sitrako, fa ny hialan'ny ratsy fanahy amin'ny lalany ka ho velona izy.

0 : 00

Toetran'Andriamanitra ny mamela heloka. Zanaka manaha-dray i Jesoa, eny, hatreny ambony Hazofijaliana, mbola vitany ny mangataka famelan-keloka ho an'ireo namono azy. Hoy Izy: "Ray ô! avealo ny helony fa tsy fantany izay ataony". Ho azy, tsy misy fetra ny famelan-keloka sy ny famindram-po.

Mifanohitra amin'izany ny antsika olombelona. Asiana fetra ny famelan-keloka sy ny famindram-po. Manaporofo izany ny fanontaniana napetrak'i Piera tamin'i Jesoa, manao hoe: "Tompoko, raha diso impiry amiko ny rahalahiko no tokony hamela azy aho? Hatramin'ny im-pito ve?" Ny valin-tenin'i Jesoa dia maneho fa tsy voafetra ny famelan-keloka ary tiany hiampita amin'ireo mpianany io toetra io, satria toetran'Andriamanitra. Diniho ny fanoharana nataon'i Jesoa eto: efa nafoin'ny tompony ny trosa be ananany amin'ity mpanompo iray nefa ity farany tsy namela ny trosa kely ananany amin'ny mpanompo rahalahiny. Tsy nisy famindram-po fa tonga dia kenda roroka.

Ny vavaka ataontsika isan'andro no mitarika antsika hamela ny hafa satria mangoraka sy mamindra fo amintsika Andriamanitra: "Avelao ny fahotanay, tahaka ny hamelanay izay meloka taminay". Mangataka famelana avy amin'Andriamanitra isika satria mahatsapa ny vesatry ny fahotantsika; noho izany tokony hamela heloka sy hamindra fo amin'ny namantsika.

Ezaka ataontsika amin'izao Karemy izao ny mahay mamela sy mamindra fo amin'ny namantsika, raha nahavita hadisoana tamintsika izy ka mangata-pamelana amintsika. Tena toetra lavorary ary sitrak'Andriamanitra ny mahay mamela heloka.

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...