3 ôktôbra 2023 — Talata, Herinandro Tsotra fahenina amby roapolo Mandavantaona — Ampahafantaro ny lalan’ny lahatrao aho, mba hisaintsainako ny asanao mahagaga — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 9, 51-56)
Ry kristianina havana! Tamin’ny faraparan’ny Evanjely omaly i Jesoa dia nilaza fa izay mandray ireo madinika kely indrindra irahiny ireo dia mandray Azy, ary mazava ho azy fa mandray koa izay naniraka azy. Porofoiny sahady izany eto amin’ity Evanjely norenesintsika teo ity. Iaraha-malala ny fifandraisana misy eo amin’ny Jody sy ny Samaritana noho izy ireo samy manana ny hanitra ho azy. Na izany na tsy izany anefa dia asehon’i Jesoa amintsika fa Izy dia tsy manavaka foko na firazanana fa mitovy daholo isika rehetra eo anatrehany ka tsy nisalasala izy nifandray ary nandefa iraka hialoha lalana azy tao amin’i Samaria. Isika samy isika mazana no mbola voan’izay mijery ny maha olona izay vao mandray, mbola mametraka fepetra vao vonona ny tena hifandray amin’ny hafa, fa i Jesoa efa nandrava ny rindrin’izay fahasamihafana izay, efa nandrava ny efitra atsitokotokon’ny firazanana sy ny volon-koditra na vola aman-karena fa nomeny fitiavana sy fahasoavana mitovy avokoa isika rehetra. Na tsy mifankahazo aza ny Jody sy ny Samaritana, i Jesoa na dia Jody aza dia nandray azy ireo toy ny fandraisany ny olona rehetra. Manaporofo izany ireo fihetsika sasantsasany entiny maneho izany ao amin’ny Evanjely: tsy nanana fisalasalana izy na fahamenarana nanatona sy niresaka tamin’ilay vehivavy Samaritanina (Jo 4, 3…); izy ireny no noraisin’i Jesoa ho ohatra halain-tahaka amin’ny fitiava-namana (Lk 10, 27-35) sy eo amin’ny fahaizana mankasitraka (Lk 17, 11-19); ireo mpianany koa dia irahiny hitory teny any amin’ny faritr’i Samaria (Asa 8, 1) ary fahombiazana no hitan’izy ireo tamin’izany (Asa 8, 5. 25; 9, 31; 15, 3). Na tsy nandray an’i Jesoa aza ireo Samaritana sasantsasany dia nanehoany fitiavana hatrany satria tonga ho an’ny olona rehetra Izy. Maniry ny hiditra ao amintsika isan’andro i Jesoa amin’ny alalan’ny Teniny sy ny Tenany dia ny Eokaristia izany, ary eo ireo tompon’andraikitra maro ao amin’ny Eglizy manomana antsika amin’izany; ka manao ahoana ny fahavononantsika handray azy. Enga anie ka tsy isika sanatria no hanao tahaka ireo Samaritana tsy mety mandray azy fa tonga dia ilay naniraka azy mihitsy no tsy raisintsika. Miseho amin’ireny iraka madinidinika sy mahantra ireny izany faniriany te hiditra any amintsika izany ka aza atositosika ny ondry botry.
Fa etsy an-danin’izany koa dia maneho amintsika fomba fijery roa samy hafa ny Evanjely dia ny fijerin’ireto mpianany manara-dia azy izay maneho fahatezerana sy famaizana ho an’ireo tsy mandray an’i Jesoa ary ny fijerin’i Jesoa izay maneho indrafo mandrakariva ary tsy misy fetra ho an’ny olona rehetra na manao ahoana toetrany na manao ahoana fomba fiainany. Midika ny fitiavany lehibe izany. Toa ireo Apôstôly dia mety hanjo antsika ankehitriny koa ny tsy fananana fo antra sy fanaovana tsinontsinona ny hafa tsy mitovy Fiangonana na finoana amintsika. Toa an’ireo Jody sy Samaritanina, izay samy mino sy manompo an’Andriamanitra tokana, dia mety hifankahala koa isika kristianina noho ny fahasamihafana ara-piaviana na ara-poko. Aoka ho fitaratra ho antsika i Jesoa amin’izay fahaizana mamindra fo sy maneho fitiavana sy fihavanana mandrakariva izay, ho fitandroana ny fiombonana sy ny fiarahan-dia ao amin’ny Eglizy.
Jesoa Tompo ô! Ataovy manahaka ny toe-tsainao ny toe-tsainay mba hahatonga anay ho vavolombelonao eto amin’izao tontolo izao. Amen.