Alatsinainy 16 marsa 2020 — Herinandro fahatelo amin'ny Karemy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 4, 24-30 — Aza manamafy ny fonareo ianareo anio, aoka hihaino ny feon'ny Tompo.

0 : 00

Raha tonga tao Nazareta, tanana nahabe azy i Jesoa dia niditra tao amin'ny Sinagôga, trano fivavahana; anjarany no nanao ny famakian-teny. Ny Bokin'i Izaia Mpaminany no natolotra azy tamin'iizay fotoana izay, ny soratra momba ny asam-pamonjena hotanterahiny no sendra azy tamin'izany. Rehefa nampianatra anefa Izy, tsy noraisin'ny tao amin'ny Sinagôga ny fampianarany ka nahatonga azy niteny hoe: "Tsy misy Mpaminany hajaina amin'ny tany nahabe azy".

Indraindray isika olombelona, mijery sy mitsaratsara ny lafiny eto ivelany fotsiny, hany ka tsy mahita ny harena miafina ao amin'ny olona iray. Toe-javatra toa izany no nahazo an'i Jesoa teo anatrehan'ireo mpiray tanana taminy. Na ilay vehivavy Samaritanina na i Naamàna boka dia samy tsy Jody kanefa nahazo fahasoavana tamin'ny alalan'ireo Mpaminany, Elia sy Elizea, teo amin'ny vahoakan'i Israely. Ny tenin'i Jesoa mahakasika azy ireo moa no vao mainka niteraka hatezerana tamin'ireo mpiray tanidrazana amin'i Jesoa. Azo lazaina anefa fa tena manary fahasoavana raha tsy mandray ny tenin'i Jesoa ho fiainana.

Nanova ny fiainan'ny olona tamin'izany andro izany ny tenin'ireo Mpaminany voalaza etsy aloha; nahazo sakafo tsy nety ritra ilay mpitondra tena tao Sarepta noho ny nanatanterahany ny fiangavian'i Elia Mpaminany; sitrana sy nadio tamin'ny habokana i Naamàna Sirianina noho ny tenin'i Elizea Mpaminany. Mainka moa ny tenin'i Jesoa no tsy hanova ny saina, ny fo, ny fanahin'izay mihaino azy? Irin'i Jesoa hahavokara fiovana ao anatintsika ny fihainoana ny teniny, izany no manavao ny fiainantsika isan'andro. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...