29 septambra 2023 — Masina Misely sy Gabriely ary Rafaely, Arkanjely — Fankalazana — Misaora ny Tompo, ry Tafiny rehetra, izay mpanompo mankatò ny sitrany — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 1, 47-51)

Mankalaza ireo Arkanjely telo ny Fiangonana amin’ity anio ity: Masina Misely, Gabriely, Rafaely. Dia mazava araka ny Soratra Masina na ao amin’ny Testamenta Taloha na ao amin’ny Testamenta Vaovao izay hamafisin’i Jesoa eto fa misy ny Anjely. Ny Anjely moa no ilay ventesintsika amin’ny fiekem-pinoana hoe zava-boary noharian’Andriamanitra inoana fa misy; ambara amin’ny teny hoe : “na ny hita maso na ny tsy hita”, ireo Anjely no isan’ny ambara amin’ny ilay “tsy hita maso” amin’izany. Foto-pinoana izany; koa rariny raha ankalazain’ny Fiangonana ny fetiny. Na ny Jiosy na ny Silamo dia samy mino ny fisian’ny Anjely avokoa. Hoy Jesoa eto hoe: “Hahita ny lanitra misokatra sy ny Anjelin’Andriamanitra miakatra sy midina ao ambonin’ny Zanak’olona ianareo”. Ambaran’i Jesoa amin’io teniny io fa mpanelanelana antsika amin’Andriamanitra ireto Anjely ireto amin’ny maha irak’Andriamanitra azy. Hitantsika araka izany fa tena ilain’Andriamanitra ny Anjely mba hanatanteraka ny asany. Izany hoe manaiky an’Andriamanitra izy ireo na andro na alina. Ary izany dia mitory toetra sy fihetsika tokony halaintsika tahaka mba hanaiky sy hankato an’Andriamanitra ihany koa na andro na alina.

Fa maninona ihany koa no hajain’ny Fiangonana ny Anjely? Satria ny fisian’ny Anjely no mampahafantatra antsika ny herin’Andriamanitra, ny fahalehibiazan’Andriamanitra Tsitoha. Raha atao amin’ny teny hafa dia hoe ny Anjely dia sady irak’Andriamanitra no fisehoan’Andriamanitra mihitsy amin’ny fomba azo tsapain-tànana na ren’ny fandrenesana. Dia jereo ohatra izao fa ny anaran’ireto Arkanjely ireto dia mitondra ny anaran’Andriamanitra daholo : RafaELY, GabriELY, MisELY ; ka ny “ELY” dia midika hoe “Dieu”, Andriamanitra amin’ny teny Hebrio. Ny Rafaely izao dia midika hoe Andriamanitra manasitrana, Gabriely: Andriamanitra mahery, matanjaka ary Misely: Andriamanitra tsy manam-paharoa na iza no toan’Andriamanitra. Izany no mampiseho fa ny fisian’ny Anjely no ahafantarantsika ny fahalehibiazan’Andriamanitra. Koa ny fanajantsika ny zava-boarin’Andriamanitra tokoa no hahalalantsika miharihary fa lehibe tsy misy fetra tokoa Ilay Andriamanitra nanao azy. Ary ny fifefentsika amin’ny Anjely no tokony hampitombo ny finoantsika an’Andriamanitra sy i Jesoa Zanany.

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...