Alakamisy 05 desambra 2019 - Herinandro voalohany amin'ny Fiavian'ny Tompo.
Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 7, 21. 24-27.
Indro avy ny Tompo hanavotra ny vahoakany. Sambatra izay vonona hitsena Azy.

0 : 00

 Sitrapon'Andriamanitra. Izay no ventin-kevi-dehibe mafonja, fonosin'ny Vaovao Mahafaly androany. Fa inona tokoa moa izany sitrapon'Andriamanitra izany? Maro no ahitana an'izay ao anatin'ny Soratra Masina, toa zara lasa fitenin'ny olona amin'ny fiainana andavanandro ny hoe: "miankina amin'izay sitrapon'ny Ray ihany".

Raha miteny an'izany anefa isika dia tsy tsinajerin'ny vava ihany fa tena fiainana handavorariana ny maha-kristianina araka ilay voalaza teo hoe: "tsy izay rehetra manao amiko hoe Tompo, Tompo no hiditra amin'ny Fanjakan'ny lanitra fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko izay any an-danitra."

Fakam-panahy lehibe ho antsika indraindray, na matetika mihitsy aza, ny mampanjaka ny sitrpontsika fa minia mikipy tsy miraharaha izay sitrapon'Andriamanitra. Izany tokoa ilay kristianina mpitari-bato vilam-bava. Dia inona tokoa moa no Fanjakan'ny lanitra ho azo amin'izany?

Ry havana, i Jesoa mihitsy no efa nilaza hoe: "katsaho aloha ny Fanjakan'Andriamanitra, dia omena anao ny sisa ho fanampiny". Tanteraho àry aloha ny sitrapon'Andriamanitra Ray amin'ny alalan'ny fitandremana ny didiny sy ny fiainana ny fitiavana. Raha akapoka amin'ny teny tokana izany, dia "fitiavana" no hevitry ny sitrapon'Andriamanitra. Ny fiainana an'io sy ny fitandrovana azy no làlana hahatongavana any amin'ny fanjakan'Andriamanitra. Ka izany no mahatonga ilay valin-kira ventesintsika hoe: "Izay hanjakan'ny fitiavana, hanjakan'Andriamanitra."

Enga anie ry Jesoa, ny fiainanay mba holavorarianao, ny ezaka ataonay mba hotohananao. Na dia olombelona marefo aza izahay dia vonona mandrakariva hikatsaka ny fanjakan'ny lanitra amin'ny fanatanterahana ny sitrapon'ny Ray, iombonanay aminao. Amen.

[Vaovao manokana] Alakamisy 2 mey 2024

Notendren’ny Papa François ho evekan’ny diosezin i Maintirano i Mompera RAKOTOASIMBOLA Clément Herizo, misioneran’ny Lasalety, Vicaire délegué de l’Adminstrateur apostolique ao Maintirano ankehitriny.  Teraka ny 23 novambra 1974  tao Ambohimandroso- Ambohimanga Rova i Mgr Clément Herizo, ary ny 30 mars 1975 izy no nandray ny Sakramentan’ny Batemy tao Ambohimanga Rova. Tao Namehana izy no nandray voalohany ny Eokaristia Masina ny 12 novambra 1982, ary ny 23 aogositra 1998 no niroso tamin’ny Sakramentan’ny Fankaherezana tao Alarobia Antananarivo. Nandalina ny filôzofia tao amin’ny Scolasticat Saint Paul Tsaramasoandro Antananarivo izy ny taona 1999 ka hatramin’ny taona 2002.

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...