Talata 03 desambra 2019 - Herinandro voalohany amin'ny Fiavian'ny Tompo.
Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 10, 21-24.
Avia ry Tompo, vangio am-piadanana izahay mba hifalianay amin'ny fo lavorary.

0 : 00

Na ny mpianatr'i Jesoa aza mba nety valalanina ihany rehefa nahita ny fihetsik'i Jesoa sy ny teny nambarany. Ohatra antsika ihany koa, rehefa misy zavatra tsara mahazo antsika, dia somebiseby erý, sanganehana satria hafaliana tsy ahombiazana. Koa amin'izay fotoana izy indrindra isika no sahy miteny hoe "tsy tompon'ny tenako aho".

Teo anatrehan'ireto mpianany tokoa i Jesoa no nivavaka, nisaotra an'Andriamanitra ka nitodika taminy. Azo lazaina mihitsy àry fa mety ny Fanahy Masina no nampiteny Azy. Dia misy hafa inona amin'ilay zanaka ao an-tokantrano? Mankasitraka ny ray aman-dreniny, hafaliana re izany! Fa vao mainka manamafy ilay fifandraisana eo amin'Izy sy Andriamanitra izany. Ilay fifandraisana atambatry ny fifankatiavana tsy miova.

Rehefa vita ny vavaka ombam-pisaorana nataon'i Jesoa tamin'Andriamanitra, dia nitodika moramora tamin'ireo mpianany indray Izy. Entina ilazana amin'ireo mpianany fa izy ireo no vavolombelona manatri-maso ny fifandraisan'i Jesoa Zanaka sy Andriamanitra Ray.

Amin'ity andro ity, ny Fiangonana dia mankalaza manoka an'i Masindahy François Xavier, ilay mpiaro voalohany ny misona eran-tany. Olomasina tena nanana ny maha-izy azy izy, satria namiratra tamin'ny fahaizany sy ny fianarana. Na teo aza anefa izany rehetra izany dia aleony namoy ny voninahitra sy ny lazan'izao tontolo izao, fa naleony nitory ny Vaovao Mahafaly hatraiza hatraiza ka nampibebaka ny olona.

Enga anie ry Jesoa Tompo, ny ezaka nataon'ireny olomasina ireny mba hotahafinay, ka hanomezanay ohatra tsara ho an'ny hafa. Mba hanamasinanay ny tenanay sy ny fiainanay. Jesoa ô! Matoky Anao izahay.

Harena ny harena raha mamokatra ary mamokatra ho an'ny besinimaro

Ho an'ny tompon'andraikitra isan'ambaratonga eto amin'ny firenena, Ho an'ny vahoaka Malagasy sy ireo olona tsara sitrapo. Homba anareo mandrakariva anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'i Jesoa Kristy Tompo ! Indroa isan-taona no manao fihaonana lehibe (Assemblée Générale) izahay Vaomieran'ny Eveka momba ny fahamarinana sy fiadanana (Justice et Paix) cto Madagasikara. Tamin'ity taona 2025 ity dia notanterahina ny 08 May ka hatramin'ny 12 May ny fihaonanavoalohany teto Madiorano - Diosezy Toliara....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...