Sabotsy 07 marsa 2020 — Herinandro voalohany amin'ny Karemy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 43-48 — Ario lavitra anareo ny fahadisoana rehetra nataonareo, hoy ny Tompo, ary manaova fo vaovao sy saina vaovao.

0 : 00

Ry Kristianina Havana! Tsy mitsahatra ny mampianatra antsika ireo hatsaram-panahy tokony hananantsika eo amin’ny fiainana i Jesoa, ary nasongadiny nandritra ity herinandro ity ny fitiavana sy ny tsy maintsy hananantsika izany fitiavana izany. Mitaona antsika mba ho lavorary tahaka ny Ray izay any an-danitra Izy na dia tsy eto an-tany aza no misy ny tena fahalavorariana tanteraka. Asa isika mba manana izany faniriana ho lavorary izany ary mba miezaka hanahaka an’i Kristy. Noho izany antony izany no hanomezany antsika ny didim-pitiavana.

Olombelona anefa isika, malemy sy osa ary tia tena, ka matetika no tsy nahatandrina na mahatanteraka io didy vaovao io. Hita eo amin’ny fiaraha-monina misy antsika, fa izany tia dia tiana, izay manao soa sy mahavaly amin’ny tena ihany no hasoavina, fa izany tsy tiana dia hankahalaina tanteraka ary hitadiavana hevitra mihitsy hanaovana valifaty. Nefa i Jesoa dia mampianatra antsika mba hitia ny fahavalontsika, hanao soa amin’izay mankahala antsika ary hivavaka ho an’izay manenjika antsika. Izany tokoa no takiana amintsika ain’izao vanim-potoanan’ny Karemy izao. Zava-tsarotra amintsika izany hoe: ho tia ny fahavalo sy hanao soa azy izany satria "Raha ho faty aho, matesa rahavana" hoy ny ohabolan-drazana. Mitaky fiovana sy fibebahana avy amintsika izany, izany hoe mihoatra ny fomba fiainan’ny olombelona ny fitivana ka hiezaka hanatratra ny fiainam-baovao dia ilay mitia tsy manavaka ary mitia tsy misy fetra fa izany no fahalavorariana ao amin’ny Ray.

Alao hery àry, mahaiza mangataka amin’Izy Tompo mba hanomezany antsika fo mahay mivalo sy mahay mitia an’ireo izay manodidina antsika, ka ho hita taratra fa mpianatr’i Kristy marina isika, ary hanjaka eo amintsika ny fahalavorariana izay iriny ho hita eo amin’ny fiainantsika.

Ry Tompo Andriamanitra Rainay ô! Fitiavana Ianao, koa tafio hery izahay, mba hankamamy ny fitiavana, ary hiezaka hiaina azy araky ny fampianaranao eo amin’ny fiainanay isan’andro. Omeo fitiavana izahay handresenay ny vato misakana anay tsy ho tia ny olon-drehetra. Amen!

[Miara-dàlana] Zoma 27 desambra 2024

  • Nanolotra fiarahabana sy firarian-tsoa ho an'ny Noely, ireo Ray aman-dReny eo anivon'ny Fiangonana...
  • Nanao antso avo ho an'ny fandriam-pahalemana any amin'ireo firenena ravan'ny ady ny Papa François, ny alarobia 25 desambra 2024, tao anatin'ny hafatra ho an'ny Noely...
  • Ankoatra ny ao amin'ny Bazilikan'i Masindahy Pierre, dia nanokatra ny Varavarana Masina iray ao amin'ny fonja ao Rebibbia ao Roma ny Ray masina, ny 26 desambra 2024...
Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...