10 aogositra 2023 — Masindahy Laurent, Diakra Martiry — Fety — Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo, izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 12, 24-26)

Ampahatsiahivin'i Jesoa fa ny fanompoana azy no ahazoana ny fiainana. Izay tia ny ainy no ahavery azy, fa izay mankahala ny ainy no hitahiry azy ho amin’ny fiainana mandrakizay. Handà ny tenany hitondra ny hazofijaliany isan’andro. Ny zavatra tsara ho marihina koa dia ny hahatsiaro mandrakariva fa tahaka ny nitiavan’ny Ray azy no hitiavany antsika ihany koa. Ka raha sanatria tahaka ny namelan’ny Ray azy ho faty teo ambony hazofijaliana no mitranga tahaka an'i Masindahy Laurent eo ambony farafara vy mahamay, dia matoky fa izy Ray ihany kosa no hamelona ho amin’ny fitiavana mandrakizay.

Ny fanompoana an'i Jesoa no ahazoana voninahitra eo anatrehan’ny Ray, ary ny marika fa manompo azy isika dia satria amin’izay hitoerany no hitoeran’ny mpanompony koa, mila manontany tena isika araka izany amin’izay atao rehetra raha toa ka miaraka amintsika i Jesoa na tsia.

Hitombo ao amintsika anie ny fitokisana ny fitiavan'i Jesoa ka hahafahantsika mijoro ho vavolombelony amin’ny seha-piainana rehetra sitrany hiantsoany antsika.

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...