7 aogositra 2023 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra fahavalo ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalànao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 14, 22-36)

Aza matahotra fa izaho ihany. Io olanao io no ilay tafio-drivotra manakorontana sy manelingelina anao ka tsy hanananao fahatokisana tanteraka an'i Jesoa, hany ka lazainy fa kely finoana ianao… Areti-mandoza ny rivotra… Manatòna isika an'i Jesoa amin’ny finoana ary miankohofa eo anatrehany isan’andro.

Rehefa avy nampitombo ny mofo i Jesoa, fa ao amin’ny Evanjely tsy mampiasa io teny mapitombo io. Mitso-drano no nataon'i Jesoa, ary nizara kosa no nataon’ny mpianatra, ka rehefa avy nivoky ny mofo voatsodrano dia nodidian'i Jesoa, ny marimarina kokoa notereny hiakatra an-tsambokely ka hiampita hialoha azy. Raha alaina sary an-tsaina ny zavatra nitranga dia hafahafa ihany.Ho aiza ireto mpianatra? Hiverina ho any Nazareta ve sa ho aiza? Lazain’ny Evanjely fa avy nandre ny nahafatesan'i Joany i Jesoa dia niala tao mba hitokana samirery any an’efitra (Mt 14, 13). Marihana fa lavitra ihany ny elanelan’ny farihin'i Galilea, eto dia hatramin’ny 11km, kanefa amin’ny telo maraina ireo mpianatra mbola eo ampovoan’ny ranomasina ihany, ary rehefa tafita ny ranomasina indray dia tany Genezareta no niantsonany, tao amin’izay nampianaran'i Jesoa ny vahoaka, nanirahany an'i Simona hiroso lalindalina kokoa mba handatsaka ny haratony indray na dia tsy nahazo na inona na inona nandritra ny alina aza, ary niantsoany ireo mpianatra ho tonga mpanarato olona (Lk 15, 1-10).

Ny sambo dia ny Eglizy, ao no anirahan'i Jesoa ny mpianany ho any amin’ny fahasambarana. Tsy manakana an'i Jesoa tsy hiaona amin’ny Rainy ny fampianarany ny vahoaka (niakatra tany an-tendrombohitra izy), nivavaka samirery. Eo anatrehan’ny sambo atopatopan’ny onja i Jesoa no niseho satria efa nitsangan-ko velona. Ny rivotra dia fitsapana. Raha ianao io Tompoko dia asaivo mandeha mankeny aminao eny ambony rano aho, hoy i Piera. Hadinon'i Piera ary hadinon’ireo mpianatra matetika fa ny hitondra ny sambokely ho eny am-pita no nairahana azy fa tsy ny handeha ambony rano, ny sambo no mandeha ambony rano fa tsy ny olona. Tsy ny hifaninana hitovy amin’Andriamanitra no heverintsika ho fanaporofoana ny fisiany.

Tompo o! vonjeo aho. Tsy afaka ny hatoky tena izy ka hanadino fa i Jesoa no famonjena. Na aiza na aiza hiantsonan’ny sambokelin’ny Eglizy dia vahoaka marobe mandrakariva no miandry eo, ho kolokoloina, hampaherezina, entina ho any amin’ny lalam-pamonjena. Ezahantsika ary ny handray sy hiaina ny finoana ka hisy akony eo amin’ny andavan’androm-piainatsika.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...