27 jolay 2023 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahenina ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Misaotra Anao Aho, ry Ray, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 10-17)

Tamin’izany andro izany,
nanatona an’i Jesoa ny mpianany ka nilaza taminy hoe:

“Nahoana no fanoharana no itenenanao aminy?”

Namaly Izy ka nanao taminy hoe:

“Satria ianareo no nomena hahalala ny zava-miafina amin’ny fanjakan’ny lanitra,
fa izy ireo tsy mba nomena izany.
Fa izay manana dia homena ka hanam-be izy,
ary izay tsy manana kosa, na dia izay ananany aza dia hesorina aminy.
Ary noho izany, dia fanoharana no itenenako aminy:
satria mijery izy fa tsy mahita,
ary mandre fa tsy mahazo na mahalala;
ka tanteraka aminy ilay faminanian’i Izaia manao hoe:
‘Handre amin’ny sofinareo ianareo fa tsy hahalala,
ary hijery amin’ny masonareo, fa tsy hahita;
fa ny fon’ity vahoaka ity efa nihamafy, ny sofiny efa nihadonto,
ary ny masony efa nakimpiny,
sao mahita ny masony sy mandre ny sofiny, ka hahalala ny fony,
dia hibebaka izy ary hositraniko.’
Fa ianareo kosa, sambatra ny masonareo fa mahita,
ary ny sofinareo fa mandre.
Lazaiko aminareo marina tokoa, fa maro ny mpaminanysy ny olo-marina
naniry hahita ny hitanareo fa tsy nahita, ary handre ny renareo fa tsy nandre.”

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...