24 jolay 2023 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra fahenina ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Aza mba hamafisina ny fonareo anio, fa henoy ny feon’ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 12, 38-42)

Tamin’izany andro izany,
ny sasany tamin’ny mpanora-dalàna sy ny Farisianina namaly an’i Jesoa nanao hoe:

“Tompo, mba te-hahita famantarana avy aminao izahay.”

Fa namaly Izy ka nanao hoe:

“Mangata-pamantarana ity taranaka ratsy sy mpijangajanga ity
fa tsy homena famantarana hafa afa-tsy ny an’i Jônasa mpaminany izy;
fa tahaka ny nitoeran’i Jônasa hateloan’andro sy hateloan’alina
tany an-kibon’ny hazandrano lehibe
no hitoeran’ny Zanak’Olona hateloan’andro sy hateloan’alina
ao anatin’ny tany koa.
Ny olona tany Niniva hitsangana hanohitra ity taranaka ity amin’ny andro fitsarana
ka hanameloka azy,
satria nibebaka izy ireo nony nitorian’i Jônasa teny;
nefa indro misy lehibe noho i Jônasa eto.
Ilay mpanjakavavy avy any atsimo hitsangana
hanohitra ity taranaka ity amin’ny andro fitsarana
ka hanameloka azy;
fa niala avy tany amin’ny fara vazan-tany izy
ka nankaty hihaino ny fahendren’i Salômôna,
nefa indro misy lehibe noho i Salômôna eto.”

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...