Alatsinainy 02 marsa 2020 — Herinandro voalohany amin'ny Karemy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 25, 31-46 — Aza manamafy fo ianareo anio, aoka hihaino ny feon'ny Tompo.

0 : 00

Ry Kristianina Havana! Tonga ao anatin’ny fotoana tsara isika mba hibebahana, hivavahana, hifadiana hanina ary hanehoana ny fitiava-namana sy ny fiantrana. Izany rahateo moa ny KAREMY. Hoy ny Fiangonana manentana antsika amin’ity herinandro ity hoe: "NY KAREMY: Fahafoizana tanteraka ho an’Andriamanitra". Inona tokoa moa no hafointsika ho an’Andriamanitra? Ary iza marina ity Andriamanitra tokony hafoizantsika zavatra maro sy tena ity. Ambaran’ny Tenin’Andriamanitra aroson’ny Fiangonana ho antsika androany àry fa ireny madinika, mahantra, fadiranovana izay ahilikilitsika sy heverintsika fa tsy dia ilaina loatra na tsy dia manao ahoana loatra ireny no endrika hisehoan’Andriamanitra. Ny nimasoan’i Jesoa voalohany tamin’ny iraka notanterahiny dia ny fanatonana ireo mahantra sy ny ory ary ireo izay iatahan’ny fiaraha-monina. I Jesoa dia ilay Andriamanitra eo akaikin’ny madinika mandrakariva, dia tsy iza fa ireo olona manodidina antsika tsy misy ankanavaka, rahalahy sy anabavintsika. Niezaka mandrakariva Izy hanatona ny olon-drehetra, ary nitory tamin’izy ireo ny lalana tokony hizorany. Tsy inona izany fa ny fitiavana izay miseho amin’ny fifampizarana ny manta sy ny masaka, ny fifamangiana satria hoy isika hoe izay mahavangivangy tian-kavana, ny fifampiantranoana.

Nanao ahoana àry ny fandraisantsika sy fanampiantsika ireny endrik’olona sy endrika fahasahiranana isan-karazany ireny satria hoy ny Tompo: "Isaky ny nanao izany tamin’ny anankiray amin’ireto rahalahiko kely indrindra ireto ianareo, dia nanao izany tamiko". Hoy ny fitenintsika hoe: "Ny soa atao levenam-bola fa ny ratsy atao loza mihantona" ka izay ataontsika amin’ireny madinika ireny dia ataontsika amin’i Jesoa koa ka mety ahatonga antsika ho ondry eo ankavanany na ho osy eo ankaviany raha tonga amintsika izany andro izany.

Nanantitrantitra àry i Jesoa fa ny fitiavana no hitsarana antsika. Nanaiky hisedra ny fara-fahantran’ny olombelona Izy, nozakainy izay rehetra avy amin’ny olombelona, hatramin’ny fahafatesana, mba handreseny ny fahotana sy hanitsiany ny diantsika. Izany no tena fitiavana lehibe indrindra. Ka ho antsika mpanara-dia an’i Kristy, dia tsarovy fa eo anivon’ny olon-drehetra, indrindra ireo mila fanampiana avy amintsika, no sehatra hanatonantsika akaiky kokoa an’i Jesoa. Mba voatarika manao asa fiantrana hanampiana ny hafa, indrindra ireo sahirana sy mijaly ve isika? Ary toe-po amam-panahy manao ahoana no hanatanterahantsika izany? Tena amim-pitiavana ve?

Ry Jesoa Tomponay ô! Ny Fanahinao Masina anie no hanentana anay isan’andro ka hanosika anay hiaina ny tena fahantrana marina, hamporisika anay koa hanao asa fiantrana sy fitiava-namana betsaka hamonjenay ny tenanay! Amen!

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 septambra 2024

♦ Nitsidika ny Diôsezin'i Tomasina, ny sabotsy 14 septambra 2024 i Mgr Herivonjilalaina, izay notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'Ambatondrazaka... ♦ Misy ny rafitra vaovao napetraka ho an'ny Diôsezin'Antsirabe, nambara amin'ny fomba ôfisialy izany omaly, nandritra ny famaranana ny fivahinianana masina fanao isan-taona... ♦ Ny hoe mahafantatra an'i Jesoa dia manaiky azy hanova ny fiainantsika, io no votoatin'ny fampianaran'ny Ray masina François, nandritra fampianarana mialoha ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...