1 jolay 2023 — Sabotsy, Herinandro Tsotra faharoa ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Mitenena, Tompo ô, fa mihaino ny mpanomponao: Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 8, 5-17)
Kapiteny iray nanatona an’i Jesoa, nangataka fanasitranana ny ankizilahiny. Marihina tsara fa tsy zanany akory ity marary ity fa mpanampy azy; saingy lasa iray aina aminy ka nahatonga azy nitady ny fomba rehetra hanasitranana azy. Mova tsy toy izany isika rehefa tojo zava-manahirana na aretina izany na izay zavatra mampijaly antsika: mivezika atsy, mandeha arỳ mitady vaha olana, izay lazain’ny olona hoe: atsy mahay dia lasa any, aroa koa misy ohatran’izao dia roboka any! Mafy ny te ho sitrana, sarobidy ny aina ka manao ny tsy fanao aza hitazonana io aina io. Izany no nihatra tamin’ity kapiteny ity, hoy Izy: “Tompo ô, marary malemy mandry any an-trano ny ankizilahiko, sady mijaly mafy dia mafy”. Tsy nisalasala i Jesoa fa tonga dia namaly hoe: “Ho avy hanasitrana azy Aho”. Mahalala ny mangirifiry antsika Andriamanitra, tsy miandriandry Izy fa manaiky avy hatrany, araka ny hita eto. Indraindray koa anefa ampiandrasany kely.
Fa vao mainka mahazendana Azy ny valin-teny nataon’ilay kapiteny hoe: “Tompoko, tsy mba mendrika hidiranao ao ambanin’ny tafon-tranoko aho, fa manonòna teny iray ihany, dia ho sitrana ny ankizilahiko”. Maneho finoana lalina mantsy izany. Mbola tazonin’ny Eglizy mandraka ankehitriny izany ka atao isaky ny alohan’ny handraisana Kômonio amin’ny fankalazana ny Eokaristia. Koa manao ahoana ny finoantsika? Aza mialokaloka amin’ny hoe entim-paharazana na entim-pahazarana isika fa aoka samy hiaina, hizara, handalina ny finoany ny tsirairay. Ohatra amin’izany ny hoe: ny razambenay efa toy izao sy izao, izy no nanao ity fiangonana ity… Tsara raha tsy miankina amin’izany loatra ny finoantsika. Nilaza tamin’ilay kapiteny i Jesoa eto hoe: “Mandehana, ary aoka ho tanteraka aminao araka izay ninoanao”. Nandeha izy fa tsy nijanona teo intsony. Koa tanteraka taminy araka izay ninoany ny fanasitranana ilay ankizilahiny satria natoky tanteraka izy.
Ry havana, aoka ny finoantsika ho latsa-paka, toa tsoka fa tsy hisomidika ambony toa menaka fotsiny, aoka tsy ho toy ny akofa ka ho mora paohin’ny rivotra, aoka tsy ho toy ny “virus” ka hanimba izay sendra azy; fa tsara ny mitana, ny mandalina, ny miaina, ny mizara azy.
Tsy ny an’ilay kapiteny ihany teto no nositranin’i Jesoa fa mbola misy hafa dia ny rafozambavin’i Piera, ireo maro azon’ny demony nentina teo aminy, sy izay rehetra narary. Izany hoe manafaka antsika amin’ny rofintsika rehetra Andriamanitra, tsy avelany hijaly amin’izany isika. Tsy hoe tsy fantany izany fa tiany entintsika eo aminy hanalany azy. Andriamanitra mahala ny hirifirin’ny hafa Izy ka mangoraka sy tena be fangorahana aza. Mazava ny namaranana ny Evanjely eto: Mba ho tanteraka ilay tenin’i Izaia mpaminany hoe: “Izy naka ny rofintsika, sy nitondra ny aretintsika.” Koa aza malaina mitondra ny rofintsika eo aminy raha te hahazo fanasitranana amin’ny lafiny rehetra, eny hatramin’izay manahirana antsika aza.