23 jona 2023 — Zoma, Herinandro Tsotra faharaika ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Sokafy, ry Tompo, ny fonay mba hitandremanay ny tenin-Janakao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 6, 19-23)
Katsaho ny haren’ny lanitra. Izay no hafatra voalohan’ny Evanjely ampitaina amintsika. Izao kosa anefa : tsy misy milaza mihitsy hoe ny fanahy fotsiny no vonjena, na hoe tsy ilaina ny mikarakara ny fiainana eto an-tany. Tsy misy milaza mihitsy fa very mandrakizay ny mpanan-karena, na hoe voavonjy ho azy fotsiny amin’izao ny mahantra. Ny harena dia tso-dranon’Andriamanitra, fitahian’Andriamanitra. Mampalahelo ny mahantra fadiranovana, mitrongy vao homana, tsy manan-kialofana, misaringi-bori-damba sy mitsindroka fako ; tsy sitrak’Andriamanitra izany. Tsy maintsy mikarakara ny fiainana eto an-tany isika satria ny olona manontolo : saina, vatana, fo, fanahy no vonjena fa tsy ny fanahy fotsiny. Aoka kosa tsy hiavonavona rehefa ambinina ; aoka tsy hifikitra na hanompo vola aman-karena. Tadiavina amin’ny fomba tsara sy marina, dia ampiasaina amin’ny fomba tsara sy marina. Aoka hijanona ho fomba sy fitaovana fotsiny ihany ny harena eto an-tany fa ny lanitra no tanjona.
Mila mahay mijery ny zavatra rehetra amin’ny masom-panahy mazava isika, mijery ambony sy lavitra mba hahalalantsika ny sitra-pon’Andriamanitra, mba hanampy antsika hikatsaka ny lanitra ny harena eto an-tany, mba ho fomba sy fitaovana hahazoana ny harena maharitra ny harena mandalo. Ho ambinin’Andriamanitra anie isika eto an-tany hanana izay ilaina ka na miondrika mampiasa ny zava-mandalo aza, hiandrandra lalandava ny mandrakizay. Amen.