11 jona 2023 — Alahady, Ny Vatana aman-dRà Masin'ny Tompo — Fankalazana manetriketrika — Taona A — Izaho no Mofo velona izay nidina avy any an-danitra, hoy ny Tompo; izay mihinana amin’ity Mofo ity dia ho velona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 6, 51-59)

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nilaza tamin’ny vahoaka Jody nanao hoe:

“Izaho no Mofo velona izay nidina avy any an-danitra:
raha misy mihinana ity mofo ity dia ho velona mandrakizay izy,
ary ny Mofo izay homeko dia ny Nofoko ho fiainan’izao tontolo izao”.

Dia nifanditra ny Jody nanao hoe:

“Hataon’Ilay io ahoana àry
no fanome antsika ny Nofony hohanina?”

Fa hoy i Jesoa tamin’izy ireo:

“Lazaiko marina dia marina aminareo,
fa raha tsy mihinana ny Nofon’ny Zanak’olona ianareo,
sy tsy misotro ny Rany,
dia tsy manana ny fiainana ao aminareo.
Izay mihinana ny Nofoko sy misotro ny Rako
no manana ny fiainana mandrakizay;
ary Izaho hanangana azy amin’ny farandro.
Fa tena fihinana ny Nofoko, ary tena fisotro ny Rako.
Izay mihinana ny Nofoko sy misotro ny Rako
dia mitoetra ao anatiko ary Izaho ao anatiny.
Velona ny Ray naniraka Ahy,
Izaho koa dia velona amin’ny Ray:
toy izany koa no hahavelona amiko izay mihinana Ahy.
Izany àry no Mofo nidina avy any an-danitra:
tsy mba tahaka ny razanareo izay nihinana mana nefa maty ihany;
fa izay mihinana ity Mofo ity kosa dia ho velona mandrakizay”.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...