15 aprily 2023 — Sabotsy amin'ny Havaloan'ny Paka — Ity no andro nataon’ny Tompo, ka mifalia sy miravoa isika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 16, 9-15)

Mamintina izay efa hitantsika tamin’ity herinandro ity ny Evanjely henontsika teo. Anisan’izany ny nisehoan’i Jesoa voalohany taorian’ny fitsanganany ho velona tamin’i Maria Madelenina, “ilay namoahany demony fito”. Tsy Apôstôly fa vehivavy no nisehoany voalohany. Nasongadin’i Jesoa ny anjara toeran’ny vehivavy teo amin’ny fiainana. Taloha mantsy, teo amin’ny Jody, toy ny tsy misy ny vehivavy. Samy olombelona anefa ka natsarain’i Jesoa izany fomba fihevitra izany. Tsy vitan’ny hoe nisehoany fotsiny i Maria Madelenina fa mbola nirahiny hanambara ny fitsanganany ho velona amin’ireo Apôstôly; saingy tsy nino avy hatrany izany tenim-behivavy izany izy ireo. Ho antsika àry: aza mijery hoe iza na iza no mitondra ny iraka, aza manavakavaka fa ny iraka entiny raisina, na zana-tany na vahiny, na lahy na vavy, na kely na lehibe izy. Fitenin-drazantsika ny hoe: “Aza atositosika ny ondry botry fa tsy fantatra izay hanao kambana”. Fanampin’izany, ity tsy finoana ity koa tsy hita be ihany, fa na ireto Apôstôly aza dia tratran’izany, tsy mainka va isika aty aoriana. Kanefa izany indrindra no tokony hahatonga antsika, hiaina sy handalina ary hifampizara io finoana kely ananana io fa tsy ho mafy fo na ho mafy hatoka toa an’ireo vahoaka Jody fahiny.

Tsara ho marihina koa fa tsy hoe i Maria Madelenina ihany no tsy ninoin’ireto mpianatra ireto fa na izy samy izy koa aza tsy mifampatoky, toa azy roalahy izay nankany an-tsaha ka nitantara ny zava-niseho taminy teny an-dalana sy ny nisehoany fa mbola be marenina ireto mpianatra. Ny tsirairay mantsy no mahafantatra ny haavo sy halalina ary ny sakany aman-davan’ny finoany avy ka tsy hita hifanomezan-tsiny. Fa na izany na tsy izany dia tsara hamafisina hatrany io finoana io fa tsy hiandry voadona vao hiraparapa na koa hanary azy, fa aoka hatao toy ny fefiloha ka hanatevina hatrany hatrany. Fiafaran’ny finoana mantsy ny famonjena, ka sao tsy ho tonga any vao tena loza. Nialoha lalana ny tena fisehoan’i Jesoa tamin’ireto mpianatra ireto ireo rehetra ireo. Farany, niseho tamin’izy ireo amin’izay Izy ka nomeny tsiny izy ireo noho izany tsy finoany izany. Izany indrindra ho antsika ankehitriny: sao lahy hahazo tsiny amin’ity resaka finoana ity isika any aoriana any fa tsy ho afa-miala intsony na hanilika amin’ny hafa amin’izany, dia ireny mivaro-mora finoana ireny, ireny mivadibadika finoana ireny, ireny mivarilavo amin’ny finoana ireny, ireny tsy mahatanty mena miraviravy ireny, ireny tsy mahari-boakena ireny, ireny zara raha miaina ny finoany ireny ka raha tsy handray sakramenta tsy hita, ireny tsy sahy mijoro amin’ny finona ireny, ireny manaratsy ny finoan’ny hafa ireny… Samy mandini-tena isika ny amin’izany. Paka ny andro ka mankalaza ny fototry ny finoantsika isika. Ka aoka tsy hiorona amin’olona ny finoana fa i Jesoa Kristy maty fa nitsangan-ko velona irery ihany.

Izao koa: na izany aza ny finoan’ireto Apôstôly ireto dia mbola nahazo iraka tamin’i Jesoa izy ireo hoe: “Mandehana ianareo amin’izao tontolo izao, mitoria ny Evanjely amin’ny voaary rehetra”. Izany hoe tsy miandry antsika ho tonga lafatra akory Andriamanitra vao maniraka satria olombelona no irahiny. Isika koa hiezaka toraka izany, hanao izay tratry ny aina amin’ny maha iraka antsika ka hijoro ho vavolombelona sy hitory fa maty ka nitsangan-ko velona tokoa i Kristy amin’izay atao rehetra sy izay sehatra iasana. Koa mahereza isika rehetra ny amin’izany.

[Miara-dàlana] Zoma 22 nôvambra 2024

  • Fiofanana indroa miantaona no nataon'ireo Saleziana tanora, ny 16 hatramin'ny 22 nôvambra 2024...
  • Fanomezan-tsamy hafa sy miavaka avy amin'ny Fanahy Masina, ny fanomezam-pahasoavana manokana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarana nataony ny alarobia 20 nôvambra 2024...
  • Hatolotra ny tanora avy any Corée Atsimo, handray ny Andro Maneran-tany ho an'ny Tanora amin'ny taona 2027, ny Lakroa famantarana ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria, ny alahadin'i Kristy Mpanjaka, 24 nôvambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...