13 aprily 2023 — Alakamisy amin'ny Havaloan'ny Paka — Ity no andro nataon’ny Tompo, ka mifalia sy miravoa isika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 24, 35-48)
Zava-dehibe ny fifampizarana eo amin’izay atao, toy ny nataon’ireto mpianatra roalahy nitantara ny zavatra niseho taminy teny an-dalana sy ny nahafantarany Azy tamin’ny famakiana ny mofo tamin’ireo mpianatra hafa: hafanam-pon’ny mpianatra izany. Ka tamin’izay indrindra no nisehoan’i Jesoa indray tamin’izy ireo teo anivony. Midika izany fa eo anivontsika mandrakariva i Jesoa tafatsangan-ko velona, ivon’ny fiainan’ny kristianina, mpanara-dia Azy Izy satria tokoa sady fiandohana no ivo ary fiafaran’ny fiainantsika Izy. Very isika raha misaraka aminy. Nizara fiadanana Izy tamin’izany fisehoany tafatsangan-ko velona izany, dia ilay fiadanana irariany ho amintsika rehetra hatraty aoriana ihany koa ka averimberina isaky ny fankalazana ny Eokaristia atrehantsika, ka tsy indray mandeha ihany ny mpitarika na ny mpandraharaha masina no manao izany amin’ny fankalazana fa imbetsaka aza mba hiampita tsara sy hiantefa amintsika io fiadanana io. Fa tafita amintsika tokoa ve?
Ankoatra izany, nanala ny tahotr’ireto mpianatra koa i Jesoa. Fantany mantsy fa tsy maintsy hatahotra izy ireo mahita Azy tafatsangan-ko velona. Atao ahona fa izay ny maha olona azy ireo. Isika ihany koa eo anatrehan’ny asa nankinina amintsika tsy tokony hatahotra satria tsy asantsika ireny fa Azy. Efa miaraka aminy isika sady eo anivontsika Izy tafatsangan-ko velona ka esory izany tahotra izany. Fa aoka isika ho sahy hijoro mandrakariva. Fa na izany aza, toy ny nahazo ireto mpianatra ireto: taitra, natahotra, nitebiteby, nihanahana, no mbola mianjady amintsika mandraka ankehitriny. Mahavoa ny kanosa sy ny tsy ampy finoana izany matetika. Ny mpianany aza moa efa niaraka taminy nandritra ny telo taona mbola izany ihany no nanjo azy, mainka fa isika aty aoriana, mbola be lavitra noho izany ny antsika, fa aoka ialàna izany ka hiroso ho sahy ho vavolombelon’ny fitsanganan-ko velona fa adidy voalohany takiana amintsika izany. Eto izao: tsy nalaky nino ny mpianatra ka naneho porofo i Jesoa manambara Azy tafatsangan-ko velona ka nihinana tapa-kazandrano voatono sy tantely avy tamin’ireo mpianatra sy nizara izany koa ho azy ireo. Fa ankoatra ny fifanankalozana ny zava-nisy an-teny nifanaovan’ireto mpianatra tery am-piandohana dia nitohy tamin’ny fifampizarana sakafo ihany koa izany ho porofo fa tena velona marina tokoa i Jesoa ka mifanapak’aina amin’ireto mpianany ireto Izy. Mbola tanterahintsika ihany koa izany amin’ny fankalazana ataontsika, indrindra rehefa misy fety ka ankoatra ny fifampizarana any amin’ny Eglizy dia eo koa ny nofon-kena mitam-pihavanana matetika, maneho ny maha iray antsika ka mahafinaritra izany.
Farany, na eo aza izany fahalemen’ireto mpianantra ireto dia tsy nitsahatra nanokatra ny sain’izy ireo i Jesoa hahafantatra ny Soratra Masina ka nampahatsiahy Izy tamin’izany izay voalaza momba Azy ao “amin’ny Lalàn’i Môizy sy ny mpaminany ary ny Salamo”. Ivon’ny Soratra Masina, araka izany Izy fa tsy olona na zavatra hafa. Tandremo àry sao diso lalana na mitady hafa indray. Fa ny namaranany azy teo dia hoe: “Ianareo no vavolombelon’izany”. Miantefa amintsika koa izany. Ka alao hery.