11 aprily 2023 — Talata amin'ny Havaloan'ny Paka — Ity no andro nataon’ny Tompo, ka mifalia sy miravoa isika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 20, 11-18)
I Maria Madelenina nitomany teo ivelan’ny fasana no hitantsika tamin’ity Evanjely ity. Tomany midika faheresena, maneho fa ory sy malahelo mafy. Maneho ny maha olombelona. Izay no nahazo an’i Maria Madelenina eto.
Aza mijanona any ivelan’izay misy Azy Tompo fa tsy hahita Azy akory. Tao am-pasana mantsy no nametrahana Azy; kanefa efa nitsangan-ko velona Izy.
Fanaontsika koa ny mitsiritsirika io, indrindra moa ny vehivavy, mahita ny antsipiriany ka nahita ny tsy fahita dia Anjely izany: “Ka nahita Anjely roa niakanjo fotsy, nipetraka tao amin’izay nipetrahan’ny vatan’i Jesoa, ny iray teo an-doha, ary ny iray teo an-tongotra”. Tsy amin’ny lafy ratsiny loatra no tiana hasongadina eto fa soa aza ny nataony ka nanjary nampitan’ireo Anjely hafatra izy. Raha vao miteny Anjely aloha dia midika hoe: Irak’Andriamanitra ka toa an’Andriamanitra mihitsy no miteny aminy eto. Hoy ny Anjely taminy: “Ravehivavy, nahoana no mitomany ianao?” Ho antsika vesaram-pahoriana sy fijaliana dia mbola mipetraka amintsika ihany koa io fanontaniana io. Tsarovy fa ny ranomaso tsy mahaova zavatra, fa fanehoana ny fihetseham-po fotsiny ihany. Diniho tsara fa tsy hoe nitomany i Maria eto dia ho hita ho azy eo i Jesoa tadiaviny! Tsy midika akory izany hoe tsy hitomany mihitsy, fa izay ny maha olombelona fa ny mijohy mitomany andro aman’alina kosa, ny an’ny sasany izany efa ho amam-bolana, ny an’i Masimbavy Monique renin’i Masindahy Augustin aza moa efa an-taonany maro vao nivaly ny fangatahany, fa aoka ho lanjalanjaina ihany satria vao mainka mitarika aretina sy mampijaly ny tena sy ny manodidina mahita izany: mahazo aretim-po henjana raha tsy voatandrina. Ao anatin’ny ranomaso tsy hahavitana sy tsy hahafantarana na inona na inona, indraindray aza lasa miteniteny foana mihitsy. Eto izao lasa jambena mihitsy i Maria ka na i Jesoa tadiaviny aza nanjary tsy fantany. Aiza ka izy rera-po sy nitomany teo milaza fa afaka hibata ny fatin’i Jesoa. Izy anefa vehivavy kely hery sady reraka. Izay ilay miteniteny foana. Fa tsy navelan’i Jesoa amin’izany izy fa nantsoiny tamin’ny anarany vao tonga saina. Fantatr’i Jesoa amin’ny anarantsika avy isika. Ary mifankafantatra matoa mifampiantso amin’ny Anarana. I Jesoa eto niantso azy tamin’ny anarany fa ny azy kosa nasehony teto ny fifandraisany amin’i Jesoa ka nataony hoe: “Rabòny!” (izany hoe Mpampianatra). Koa manao ahoana àry ny fifandraisantsika amin’i Jesoa? Inona no valy teny ataontsika amin’ny iantsoany antsika?
Manaraka izany, tsy tokony hahamaika antsika ny fikasihana an’i Jesoa, fa zava-dehibe kokoa ny fanatontosana ny iraka ampanaoviny. Eto izao mazava tsara: “Aza mikasika Ahy, hoy i Jesoa taminy, … fa mandehana mankany amin’ny rahalahiko”. Tsy tian’i Jesoa hanao salobon-komana isika ka haka Azy irery ho antsika fa tsy maintsy misokatra amin’ny hafa ka mila mankany amin’izy ireny hitory Azy tafatsangan-ko velona. Ka na vehivavy tsotra aza izy fa tsy Apôstôly akory dia voafidy ho iraka hanambara izany amin’ireo lazainy fa rahalahiny, dia ny Apôstôly izany. Diniho tsara fa tsy nisy fialonana tamin’ireo Apôstôly hoe: naninona no tsy izahay no nisehoany voalohany fa vehivavy hafa ery! Tsia, tsy nisy. Tsarovy fa avy amin’ilay ratsy ny fialonana ka tsy maintsy ialana, ary fototry ny fahotana hafa aza izany. Efa tafatsangana ny Tompo ka isika koa aoka tsy hialona intsony satria miaina sy mitory Azy Jesoa tafatsangan-ko velona. Iraka mahatoky isika ka mahereza fo!