Sabotsy 8 aprily 2023 — Sabotsy Masina — Fiaretan-tory ankalazana ny Fitsanganan'i Jesoa Kristy — Taona A — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 28, 1-10)
Imbetsaka isika no nankalaza ny fetin’ny Paka ; ary imbetsaka no efa naheno an’ity Evanjely vao norenesintsika teo. Kanefa tsindraindray ihany isika no niaina mifanaraka amin’ny Paka. Hanampy antsika hiaina ny hafalian’ny Paka àry ireo vehivavy anankiroa lazain’i Evanjely eto ; hitondra antsika hanao ny andram-piainan’ny fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty izy roavavy ireo, koa samia àry isika hovonona hiara-dia aminy :
Lazain’i Masindahy Matio, Evanjelista, fa nizotra namonjy ny Paka izy roavavy, Maria Madalena sy Maria renin’i Jakoba sy Josefa. Nanatona ny fasana izy roavavy ary nanampy azy ireo hahita ny fitsangan-ko velona ny ezaka fanatonana izany. Asaina isika mba hananana hafaliana sy fahavononana hanatona an’Andriamanitra mandrakariva toy ny nataon’izy roavavy eto.
Taitra izy roavavy nahita ny tsy fahita : fasana mivoha ka nahita anjely nipetraka teo. Ilaina amin’ny fianam-pinoana ny fahatairana isaky ny mihaona amin’Andriamanitra ; fahatairana midika hoe figagana mandrakariva isaky ny fihaonana Aminy satria mitondra zava-mahagaga eo amin’ny fiainana isan’andro Andriamanitra. tokony handini-tena isika raha tsy mahataitra antsika intsony ny fihaonana amin’Andriamanitra.
Fahatairana narahana tahotra ny an’izy roavavy ka izany indrindra no namporisihin’ny anjely azy ireo mba tsy hatahotra na hovoafatotry ny tahotra vokatry ny fahitana hitany sao baikon’ny fihetseham-po ka tsy mahita marimarina kokoa ny zava-mitranga na tsy afa-migoka araka ny tokony ho izy ny fitsangan-ko velonan’i Jesoa Kristy Tompontsika.
Nahazo iraka ny hitory ny hitany izy ireo ary ny hitantarana ny toe-po sy toe-tsaina nihaonany tamin’i Jesoa Kristy nitsangan-ko velona. Manana adidy ny hitory an’i Kristy isika ary mila hita amin’ny fihetsika sy amin’ny tenintsika fa nitsangan-ko velona tokoa i Kristy.
Nasain’ny anjely ny hitadidy ny zavatra nolazain’i Jesoa Kristy ihany koa izy roavavy eo am-pitoriana ny fitsangan-ko velon’i Kristy. Izany hoe asainy hifototra amin’ny Soratra Masina ; asainy hahatsiaro ny Tenin’Andriamanitra ary indrindra ny handinika sy handalina an’izany. Mila mifototra amin’ny Tenin’Andriamanitra ny fitoriana ny fitsangan-ko velon’i Kristy sao hivaona tanteraka.
Nasain’ny anjely ihany koa izy roavavy hijery ny fasana foana ; izany hoe nasainy hanam-pinoana ; nasainy hanana finoana tsara fototra fa izany no antoky ny fitoriana Azy nitsangan-ko velona marina tokoa.
Avy eo naniraka an’izy roavavy ny anjely hilaza an’ireo apôstôly hakany Galilea. Toa hoe tiany hiala amin’ny toerana nampatahotra azy izy ireo hakany amin’ny toerana feno fanantenana. Pejy vaovao eo amin’ny fiainan’ny apôstôly izany satria toa efa mamela ny hakanosan’izy ireo nandritra ireo vanim-potoana mafanavay sahady i Jesoa ary manokatra làlam-baovaon’ny fiainana izay hitarika amin’ny fitoriana ny fitsanganan-ko velony. Mampianatra antsika hamindra fo amin’ny hafa ny fitsangan-ko velon’i Jesoa ary toa milaza ihany koa fa maniraka antsika hamindra, hiroso sy hanova fiainana ny Pakany.