Talata 4 aprily 2023 — Talata Masina — Arahaba, ry Mpanjakanay, fatra-panaiky ny Ray, nentina nofantsihana tamin’ny Hazofijaliana Ianao, toy ny zanak’ondry bonaika hovonoina — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 13, 21-33. 36-38)

Tantara mampalahelo sy mampivarahontsana no lazain’ny Evanjely anio. Mitatitra amintsika ny tantaran’i Jodasy Iskariota. Toa raiki-tahotra i Jesoa arakaraka ny fanakaikezan’ilay andro hanolorany am-pitiavana ny tenany. Tsapa amin’ny teny ataony ny famohafohazany ny mpianany ; toa mampisaina antsika rehetra Izy fa mifanakaiky ny maha-mpianatra sy ny maha-mpamadika. Toa mampita hafatra misokatra amin’i Jodasy Iskariota ihany koa Izy eto, toa milaza aminy hoe “mbola manana fotoana hiverenana ianao ryJodasy ; mbola afaka mibebaka ianao io”.

Na ny famariparitana ataon’i Jesoa mahakasika an’ilay mpianatra hamadika Azy aza, tokony hampisaintsaina ny mpianatra iantefan’ny hafatra. Fa ny nahagaga anefa toa tsy tonga saina akory i Jodasy ; toa tsy miraharaha velively ; toa nanamaivana ny halalin’ny hafatra nampitain’i Jesoa Kristy, ilay nifidy azy ho an’isan’ny mpianany.

Mila mitandrina isika tsirairay avy ; isika izay manara-dia an’i Jesoa Kristy ; isika kristianina, fa mety ho isika io no ho lasa mpamadika an’i Jesoa amin’ny ataontsika. Koa angataho mandrakariva Andriamanitra hamohafoha antsika ary hanome ny fahasoavany hanampy antsika hahatsapa tena fa mila miverin-dàlana raha sendra mitady hivily làlana makany amin’ny làlam-pamadihana an’i Jesoa Kristy Tompotsika.

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...