Alakamisy 16 marsa 2023 — Herinandro fahatelo amin'ny Karemy — Ario lavitra anareo ny fahadisoana rehetra nataonareo, hoy ny Tompo; ary manaova fo vaovao sy saina vaovao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 11, 14-23)

Mandroaka demony i Jesoa, izany hoe rava ny fanjakan’ny devoly Satana fa miorina kosa ny Fanjakan’Andriamanitra. Demony moana izany hoe misakana tsy hifandray aman’olona sy tsy hiteny an’Andriamanitra. Tapaka ny fifandraisana rehetra rehefa misy demony. Soa fa eo i Jesoa mandrava ireny isan’andro amin’ny alalan’ny Eglizy sy mamerina ny maha olona amin’ny laoniny. Ny Eglizy manko dia tohin’ny asan’i Jesoa. Rantsan-tanan’Andriamanitra, hoy i Jesoa eto.

Eo anatrehan’ny asan’i Jesoa sy ny Eglizy dia samy manana ny heviny ny olona : ao ireo mankato ka miroso lalina ; ao ireo milaza hoe aleo izahay hijanona ho kristianina tsotra e ; ao ireo mangatsiaka tsy miraharaha ; ao ireo manohitra. Fitanisana ihany ireo fa roa ihany no lalana, hoy i Jesoa : na mino na tsy mino ; na miaraka na misaraka ; tsy misy marimaritra iraisana.

Ny dikan’ny hoe demony na devoly moa dia hoe “mpampisara-bazana”. Dia io fa mahazo laka tsikelikely tokoa ny fisaraham-bazana ao an-tokantrano, ao amin’ny fianakaviana sy firaha-monina, eny fa hatramin’ny Eglizy aza. Izao karemy sady Sinaody izao no fotoana handinihana izay fomba rehetra hiarahan-dia amin’ny olona rehetra no iarahana mamory amin’i Jesoa Kristy. Aoka ho sarotiny amin’ny firaisana isika satria hoy ny Katesizin’ny Fiangonana Katolika hoe : “tsy mety ho masina izay misara-bazana”. Izay mitambatra vato, izany hoe mafy, tsy rava, azo ianteherana. Vavak’i Jesoa rahateo ny hoe “mba ho iray izy rehetra”. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...