Alarobia 15 marsa 2023 — Herinandro fahatelo amin'ny Karemy — Sambatra izay mitandrina ny tenin’Andriamanitra, amin’ny fo marina sy tsara, sy mamoa amin’ny faharetana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 17-19)
Tonga hanatanteraka ny lalàna i Jesoa ; kanefa hitantsika matetika Izy toa mandika lalàna sy ny fomba nampianarin’ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna. Ny manatanteraka tian’i Jesoa Kristy atao dia hoe : manitsy ny fanarahana ara-bakiteny fotsiny, mameno izay banga, manitsy izay nadika vilana ary indrindra manome dikany tena araka an’Andriamanitra, manambara ny tanjon’Andriamanitra fony nanome ny didy ka ny tanjona dia ny famonjena ; nanambara ny votoatiny dia ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny fitiava-namana. Tsy foana akory ny hoe mivavaha, manajà ray aman-dreny sy ny hoe aza mandainga, aza mangalatra sy ny sisa rehetra. Tsy foana ireny fa fitiavana no antony ary famonjena no tanjona.
Fa izao kosa ho antsika e : Andriamanitra irery no sady Mpitsara no Mpanao lalàna ; tsisy olombelona mahavita an’izany, sady tsy mety amin’ny fiainana. Ary koa hoe amin’Andriamanitra tsy misy hoe izay kely iny koa ve dia maninona ; rehefa tsy mety dia tsy mety, ary rehefa tsara dia tsara. Miantoka ny mandrakizay ny antsipiriham-piainana isan’andro. Ny finoana sy ny fitiavana no itsarana azy. Amin’izao karemy izao, aoka ho tena finoana aseho amin’ny fitiavana no hanentana antsika. Amen.