Talata 28 febroary 2023 — Herinandro voalohany amin'ny Karemy — Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 6, 7-15)
Ry mpihaino hajaina, ny vanim-potonan’ny karemy dia manentana antsika hitodika akaiky kokoa any amin’Andriamanitra, manentana antsika hifandray akaiky kokoa aminy, izany hoe, mampirisika antsika hanatona an’Andriamanitra amin’ny alalan’ny vavaka. I Jesoa, ilay zanak’Andriamanitra mihitsy àry, no mampianatra antsika mivavaka.
Voalohany, hoy i Jesoa: “raha mivavaka ianareo dia aza mba maro teny tahaka ny jentily fa ataony ho ny hamaroan’ny teniny no hihainoana azy”. Ry mpihaino hajaina tsy mitady “quantité” hoy isika na habetsahan-teny no atao hoe mivavaka, mitady “qualité” kosa na kalitao kanefa, toy ny fananana fanetren-tena, ny fitokisana, ny fahitsiana, ny filaminana ; ary ny tena mpivavaka araka ny tenin’i Jesoa. Ny tena mpivavaka àry dia tsy ny teny no ivony fa ny fo mba tsy ho lasa kabary tsara lahatra. Izay ilay lazaintsika hoe teny avy amin’ny fo. Io no tadiavin’Andriamanitra amintsika, ny fifandraisana am-po aminy. Ny mifandray am-po mantsy dia mampiseho fifampitokisana, indrindra fifankatiavana ka tsy voatery hiteny fa amin’ny alalan’ny fihetsika dia ampy hanehoana izany fifandraisana izany. Izany no nataon’ireo olomasina, ampy ho azy ny mibanjina an’Andriamanitra, mandinika ny teniny amin’ny Soratra Masina.
Faharoa, noho izay fifandraisana am-po, am-pitiavana lavorary izay dia tsy ilaina akory izany ny mangataka satria ny tia dia mahalala izay tsy ampy amin’ny tiany. Hoy i Jesoa: “na mbola tsy mangataka aminy aza ianareo, fantatry ny Rainareo izay ilainareo”. Ka eto i Jesoa no mampitodika antsika any amin’ilay Ray iombonana, mampianatra antsika mivavaka. “Koa mivavaha toy izao: Rainay any an-danitra”. Mampianatra antsika i Jesoa fa misy ilay Ray iombonana izay itodihantsika. Rain’ny olombelona rehetra, izany hoe mametraka antsika fa zanak’Andriamanitra isika rehetra. Eo anatrehan’ny Ray be fitiavana isika zanany dia manome haja sy voninahitra azy ary miara-miasa aminy hahatanteraka ny fanjakany. Tian’ilay Ray ny hahavelona antsika mandrakizay ka nomeny ilay mofo mahavelona isika dia ilay Eokaristia. Tsy velona mba hihinana fa hisakafo mba ho velona. Izay mandray sy mihinana ity nofoko ity dia ho velona mandrakizay. Tsy fangatahana ilay sakafo ho ahy irery fa ho an’ny zanany manontolo. Ny sakafo dia mampiombona ka tsy mampahazoto homana ny fisarahana, ny tsy fifankazahoana sao dia sanatria misy manampoizina. Anisan’ny teboka lehibe indrindra amin’ny vavaka ampianarin’i Jesoa ny fifamelana mba ho zanaka mifankatia tsy misy ahiahy no miara-mifety, izany hoe miara-misakafo.
Ry Rainay izay mpahary ny zavatra rehetra, tianao ny hahasambatra anay, omeo anay ny hafaliana maha zanaka anay, ka hitombo ao aminay hatrany ny fifankatiavana maha iray anay sy maha fianakaviana iray anay. Amen.