Alatsinainy 27 febroary 2023 — Herinandro voalohany amin'ny Karemy — Aza manamafy fo ianareo anio, aoka hihaino ny feon’ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 25, 31-46)
Ry mpihaino hajaina, ny tenin’Andriamanitra, vakiteny voalohany vakina miaraka amin’ity Evanjely ity dia mampirisika antsika ho masina. “Aoka ho masina ianareo satria masina aho, Tompo Andriamanitrareo” (Lev 19, 1). Izany fahamasinana izany dia efa nomen’Andriamanitra antsika maimaim-poana hatramin’ny nahariana antsika. “Andeha isika hanao olombelona mitovy amintsika”. Indrisy noho ny hasomparan’ny demony dia very izany hasina itovizantsika amin’Andriamanitra izany. Ny fotoanan’ny Karemy dia fotoana hamerenantsika indray izany fahamasinana izany, fotoana hibebahantsika, hanakaiky kokoa ny fahamasinan’Andriamanitra. Ny Vaovao Mahafaly anio no maneho amintsika singa lehibe iray izay anehoan’Andriamanitra ny maha Izy azy, izay tokony halaintsika tahaka, dia ny fananantsika fo mahay mangoraka amin’ny olona rehetra. Io ihany koa no antoka ahafahantsika mandova ny fanjakan’Andriamanitra miaraka aminy. “Avia ianareo ry nosoavin’ny Raiko, handova ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nahariana izao tontolo izao”.
Mbola hamafisin’i Jesoa amin’ireo madinika fa endrik’Andriamanitra isika olombelona na manao ahoana na manao ahoana ny halementsika. “Lazaiko marina aminareo fa isaky ny nanao izany tamin’ny anankiray amin’ireto rahalahiko kely indrindra ireto ianareo dia nanao izany tamiko”. Ny fiverenantsika amin’Andriamanitra, izany hoe miverina nanaiky an’Andriamanitra isika, satria nitia Azy dia mitaky amintsika ny fitiavana ny namana koa. Eo ny vavaka izay ifandraisantsika aminy, indrindra ahafahantsika mihaino ny teniny mba ahafahantsika manova ny toetrantsika, ny fiainantsika hitovy amin’ny fiainany. Izay tsy azo avela fa loharanon’ny fiovana ; fa tsy adino koa ny asa fiantrana sy asa fitiava-namana. Izay mitia ny namana dia tena mitia an’Andriamanitra ary izay tia Azy dia tia ny namana koa. Izany ny fahamasinana tian’Andriamanitra halaintsika tahaka aminy.
Omen’Andriamanitra fotoana àry isika amin’izao vanim-potoanan’ny karemy izao mba hihavaozantsika, hiovantsika. Koa mazotoa amin’ny fanaovan-tsoa: fanomezana hanina ho an’ny noana, fampiantranoana sy fampitafiana ary famangiana ny marary sy ny any an-tranomaizina. “Izay tsy tia ny rahalahiny izay hitany dia tsy afaka mitia an’Andriamanitra izay tsy hitany” (1 Jo 4, 20). Amin’ny fotoana hafatesantsika isika dia ho tsarain’Andriamanitra amin’ny fitiavana. (Masindahy Jean de la Croix).
Ampio izahay ry Ray, mba hahay hahita ny endrikao amin’ireo madinika fadiranovana, ka ho tia azy ireo tahaka ny nitiavanao anay. Amen.