Talata 21 febroary 2023 — Herinandro Tsotra fahafito Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Niantso antsika tamin’ny alalan’ny Evanjely Andriamanitra mba hahazoantsika ny voninahitr’i Jesoa Tompontsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 9, 29-36)

Tamin’izany andro izany,
namaky an’i Galilea i Jesoa sy ny mpianany,
ary tsy tian’i Jesoa ho fantatr’olona izany,
fa nampianatra ny mpianany Izy ary nanao taminy hoe:

“Hatolotra eo an-tanan’ny olombelona ny Zanak’Olona, dia hovonoiny,
fa hitsangan-ko velona Izy raha afaka hateloana aorian’ny hahafatesany.”

Tsy fantatr’izy ireo anefa izany teny izany,
sady tsy sahiny nanontaniana Azy koa.
Dia tonga tany Kafarnaôma izy ireo, ary nony mby tao an-trano,
dia nanontany ny mpianany i Jesoa nanao hoe:

“Inona izany niadianareo hevitra tany an-dalana izany?”

Fa tsy niteny tsy nivolana izy,
satria ny amin’izay ho lehibe indrindra amin’izy rehetra
no niadiany hevitra teny an-dalana.
Dia nipetraka Izy ary niantso ny roa ambin’ny folo lahy
ka nanao taminy hoe:

“Izay te-ho voalohany no ho farany indrindra
sy ho mpanompon’ny olona rehetra.”

Ary nandray zaza anankiray Izy, napetrany teo afovoany; sy nofihininy,
ary hoy Izy tamin’ny mpianany hoe:

“Na iza na iza handray anankiray amin’ny zazakely toy itony
amin’ny Anarako,
dia handray Ahy,
ary izay mandray Ahy,
dia tsy mandray Ahy,
fa Izay naniraka Ahy.”

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...