Alatsinainy 20 febroary 2023 — Herinandro Tsotra fahafito Mandavantaona — Taona tsy ankasa — I Jesoa Kristy Mpamonjy antsika no nanafoana ny fahafatesana sy nanambara ny fiainana amin’ny Evanjely — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 9, 13-28)

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nidina avy eny an-tendrombohitra ary nankeo amin’ny mpianany,
dia nahita vahoaka betsaka nanodidina azy,
sy mpanora-dalàna niady hevitra taminy.
Gaga ny olona rehetra nony nahita an’i Jesoa,
ka nidodododo hiarahaba Azy niaraka tamin’izay.
Dia nanontany azy ireo Izy nanao hoe:

“Ny amin’ny inona no iadianareo hevitra amin’ireto?”

Ka novalian’ny anankiray tamin’ny vahoaka hoe:

“Ry Mpampianatra ô,
nitondra ny zanako lahy azon’ny demony moana
nankaty aminao aho;
fa na aiza na aiza ahazoany azy dia sady akapokapony izy
no mandoa vory sy mikitro-nify, ka efa mihamalazolazo ery
ary efa nangataka ny mpianatrao handroaka azy aho,
fa tsy nahomby izy ireo.”

Dia niteny i Jesoa nanao hoe:

“Ry taranaka tsy mino, mandra-pahoviana no hitoerako aminareo?
mandra-pahoviana no handeferako aminareo?
Ento aty amiko izy.”

Dia nentiny nankeo aminy izy, ary vantany vao nahita Azy ny demony,
dia nampifanintontsintona ny zaza ka lavo nitsinkasina sady nandoa vory.
Dia nanontany ny rain-drazazalahy i Jesoa nanao hoe:

“Hoatrinona izay no nahatongavan’izao taminy?”

ka novaliany hoe:

“Hatry ny fony izy mbola kely;
ary matetika izy no nazeran’ny demony tamin’ny afo
sy tany anaty rano mba hahafaty azy;
ka raha mba misy hainao re, mamindrà fo aminay,
ary vonjeo izahay!”

Dia hoy i Jesoa taminy:

“Raha hainao ny mino,
tsy misy tsy azo atao ho an’izay mino.”

Niaraka tamin’izay dia niantso mafy ny rain-drazazalahy
no nanao an-dranomaso hoe:

“Mino aho, Tompoko,
fa vonjeo re ity tsy finoako.”

Ary nony nahita ny vahoaka nidodododo nanatona Azy i Jesoa,
dia niteny mafy ny fanahy maloto Izy nanao hoe:

“Ry fanahy marenina sy moana,
Izaho mandidy anao, mivoaha amin’io zaza io,
ka aza miditra aminy intsony.”

Dia sady ninananana ny demony
no nampifanintontsintona azy mafy vao niala taminy,
ka efa toy ny maty ilay zazalahy,
ary efa nataon’ny maro hoe maty aza.
Fa noraisin’i Jesoa tamin’ny tanany izy,
dia nareniny, ka nitsangana.
Nony tonga tany an-trano Izy,
dia nanontanian’ny mpianany mangingina hoe:

“Nahoana no tsy naharoaka azy izahay?”

Ka hoy Izy taminy:

“Tsy azo roahina afa-tsy amin’ny fivavahana
sy ny fifadian-kanina izany karazan-demony izany.”

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...