Zoma 17 febroary 2023 — Herinandro Tsotra fahenina Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, hoy ny Tompo; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 8, 34-39)

Ry kristianina havana ! Rehefa avy nampianatra sy nilaza tamin’ireo mpanara-dia azy i Jesoa fa tsy maintsy hijaly izy ary ho faty fa hitsangana ho velona, satria izay no lalana hizorany hamonjeny antsika, araka ny Evanjely omaly, mbola ao amin’ny toko faha-8 hatrany, dia ny vahoaka indray no hampahafantariny eto. Ny hazofijaliany no ambarany, ary ireo mitonona ho mpianany sy mpanara-dia azy dia tsy maintsy mitondra ny hazofijaliany manahaka azy koa. Lalana tokana ahazoana famonjena io ary hisalorana voninahitra ho an’izay mino an’i Kristy. Ny olona te hahazo fahasoavana dia tsy maintsy misahirana, miatrika sedra sy miaritra ny mafy vao mahazo fa raha azo mora foana io dia izay ilay lazaintsika hoe miditra amin’ny makarakara dia mivoaka amin’ny kiloadoaka. Ny maha kristianina antsika tokoa dia tsy entinketina foana fa mitaky zavatra, indrindra mitaky asa amintsika araka ny hamaritan’i Kristy azy : manaraka azy, manahaka azy mifandray aminy ary manao tahaka ny nataony, miezaka ho tonga Kristy mandehandeha. Ahoana ary no fomba ahafahantsika manatanteraka izany ? Izany no fanontaniana mazana mipetraka ao amintsika ao satria io ilay ambaran’i Jesoa hoe ny tena mpianany dia tsy ireo miantso Tompoko Tompoko fa izay manatanteraka ny sitrapon’ny Rainy. Ny voalohany amin’ireo zavatra takian’i Jesoa ireo dia ny fandavan-tena : hatraiza io fandavan-tenantsika io ? Mitaky finiavana avy amintsika io satria ianao mihitsy no mihevitra ny tenanao ho toy ny tsy misy ary ho toy ny tsinontsinona, fa i Kristy no ampidirinao eo amin’ny fiainanao. Tsy mora izany kanefa izany no afaka manampy antsika hanao izay asainy ataontsika amin’ny fanarahantsika dia azy. Amin’ny maha kristianina anao àry, hatraiza io maha mpianatr’i kristy anao io, hatraiza io fanarahana dia azy io ? Fa i Masindahy Marka misarika ny saina sy ny fo amam-panahintsika mitantara dia hatrany amin’ny farany no tokony hanarahantsika dia azy dia tsy inona izany fa ny hazofijaliana miafara amin’ny fahafatesana fa hiandrandrana kosa ny fitsanganan-ko velona. Io no fototry ny finoantsika. Izay te hamonjy ny ainy hoy i Jesoa no ahavery azy fa izay hahafoy ny azy noho ny fitiavany Azy sy ny Evanjely no hahavonjy azy. Tsy rà alatsadatsa-poana akory sanatria ny rà alatsak’ireo martiry maro be noho ny fitiavana an’i Kristy fa miezaka manahaka an’i Kristy izy ireo ary manantena ny famonjena noho ny fanantenam-pitsanganana ho velona. Eo amin’ny Batemy no anombohantsika misalotra ny anaran’i Kristy ary efa mihatra amintsika sahady ireo fampianarany ireo. Tsinontsinona izao tontolo izao, hoy ihany i Kristy na azonao aza fa ny fanahy voavonjy no zava-dehibe. Ny fanahy no maha olona koa aoka isika hiezaka hanahaka an'i Kristy, handa tena, handa sy tsy hanaiky ho lalaovin'izao tontolo izao mba ho antoka ho an’ny famonjena ny fanahintsika.

Jesoa Tompo ô ! Lalana tokana ahazoana ny famonjena ny hazofijaliana ary ianao no santatr’ireo nody mandry mampianatra anay amin’izany. Tsy miteny fotsiny ianao fa ianao mihitsy no mijoro ho vavolombelona aminay amin’izany koa ampio izahay hahay hitondra ny hazofijaliana manandrify anay ary tsy hitsahatra hanara-dia anao hatramin’ny farany mba hahazoanay famonjena. Amen.

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...