Alarobia 15 febroary 2023 — Herinandro Tsotra fahenina Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Izaho no Fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo, izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 8, 22-26)

Ry kristianina havana ! Manohy mitantara amintsika hatrany i Masindahy Marka ny fahagagana nataon’i Jesoa izay entiny mampita amintsika ny fampianaran’i Jesoa sy ny nataony ka tohizan’ireo Apôstôly, ary nentiny nampita tamin’ny olona mba ahazoan’izy ireo mamantatra an’i Jesoa sy mampitombo ny finoany. Ny Evanjelin’i Masindahy Marka moa dia ahitana taratra ny fampianaran’i Masindahy Piera tao Roma ka hitarihan’ny mpanoratra hametra-panontaniana mahakasika ny finoantsika. I Masindahy Marka dia mpianatr’i Masindahy Piera ka tsy mahagaga raha manoratra izy mitantara ny mahakasika ny fahagagana nataon’i Jesoa momba ity fampahiratana ilay jamba ity izay ahitana dingana in-droa miantoana ary niafara tamin’ny fahasitranany tanteraka ny farany ary nahitany ny mazava. Tsotra sady fohy ny fitantaran’i Marka ny Evanjely nefa kosa mazava ary misy hevitra lalina ho an’ny finoantsika ampitainy. Voalazantsika omaly fa natsangan’i Jesoa ho zandriny isika tamin’ny batemy ka io no mahatonga antsika ho zanaky ny fahazavana ary izany fahazavana izany dia ny finoana izay mitarika antsika hanatona an’Andriamanitra. Ny finoana moa dia teraka avy amin’ny tenin’Andriamanitra satria araka ny fampianarana ataon’ny Eglizy amintsika dia ny famakiana ny Tenin’Andriamanitra no manampy antsika hino ary io finoana io no hiainana ka izay hiainana no torina. Niaina izany tokoa i Masindahy Piera sy ireo Apôstôly niaraka tamin’i Jesoa ka izany no torin’izy ireo sy hanampiany antsika hiroso hamantatra ny maha Andriamanitra an’i Jesoa tonga hamonjy antsika. Ny niainan’ireo Apôstôly no tantarainy amintsika satria tao anatin’ny tsy fahalalana tanteraka ireo mpianany ireo no nantsoin’i Jesoa ka ny fiarahany taminy tsy tapaka teny no nanazava tsikelikely ny finoan’izy ireo. Raha nilaza i Jesoa omaly fa donto ny fon’izy ireo dia indro izao fahagagana ataon’i Jesoa izao no manampy azy ireo hahiratra tsikelikely amin’ny finoana ka nahalalany an’i Jesoa na dia taorinan’ny fitsanganany ho velona aza vao tena nazava tamin’izy ireo ny zavatra rehetra. Fitarihana antsika handalina katesizy hampitombo ny finoantsika no asehon’i Piera eto ka nahatonga ny mpanoratra haneho amintsika amin’ny fitantarany ny nataon’i Jesoa.

Ny fihetsik’i Jesoa mitantana ilay jamba nivoaka ny tanàna sy nanao feta nahosotra ny masony mba hampahiratra azy kosa eto dia manampy antsika hanao toy ny nataony hitantana am-pitiavana sy am-paharetana ireo mbola jamba amin’ny finoana sy ny tsy fahalalana ary hanampy azy ireo tsikelikely hahafantatra ka hananany finoana. Hita taratra moa io fihetsika nataon’i Jesoa io amin’ny litorjian’ny batemy hanokafana ny maso sy ny sofina ary ny vavan’ireo hatao batemy hahalala, hihaino, hahita ary handray sy hitory izay noraisiny dia isika izany. Ny fivoahany ny tanàna kosa dia tsy tiany ho fantatr’olona ny zavatra hataony raha tsy aorian’ny fifantsihany tamin’ny hazofijaliana sy ny fitsanganany ho velona (izay ilay secret messianique). Aoka àry hazava ao amintsika mandrakariva ny finoana efa noraisintsika tamin’ny batemy ka hamporisika antsika hizara izany amin’ny hafa satria arakaraky ny hizarantsika azy amin’ny hafa no vao maika ihany koa mampitombo ny finoantsika.

Jesoa Tompo ô ! Tsy mora ny manana ny tena finoana marina ary mbola jamba izahay mazana raha io tena finoana io no fantarina koa tariho tahaka ny nitarihanao ilay jamba sy ny nampahiratanao azy izahay mba hahiratra ny masom-pinoanay ka hiainanay izany ary hizarany azy amin’ireo mbola tsy manana na ireo mbola tsy ampy. Amen.

[Vaovao manokana] Alakamisy 2 mey 2024

Notendren’ny Papa François ho evekan’ny diosezin i Maintirano i Mompera RAKOTOASIMBOLA Clément Herizo, misioneran’ny Lasalety, Vicaire délegué de l’Adminstrateur apostolique ao Maintirano ankehitriny.  Teraka ny 23 novambra 1974  tao Ambohimandroso- Ambohimanga Rova i Mgr Clément Herizo, ary ny 30 mars 1975 izy no nandray ny Sakramentan’ny Batemy tao Ambohimanga Rova. Tao Namehana izy no nandray voalohany ny Eokaristia Masina ny 12 novambra 1982, ary ny 23 aogositra 1998 no niroso tamin’ny Sakramentan’ny Fankaherezana tao Alarobia Antananarivo. Nandalina ny filôzofia tao amin’ny Scolasticat Saint Paul Tsaramasoandro Antananarivo izy ny taona 1999 ka hatramin’ny taona 2002.

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...