Alakamisy 9 febroary 2023 — Herinandro Tsotra fahadimy Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ary fanazavana ny lalako — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 7, 24-30)

Ny tananan’i Tyr sy I Sidona dia tananan’ireo tsy mpino. Ity vehivavy ity anefa nangataka an’i Jesoa mba horoahina ny demony ao amin’ny zanany vavy.

Novalian’i Jesoa anefa, fa tsy nirahana afa-tsy ho an’ny ondry very ao amin’ny taranak’i Israely Izy. Fa vao mainka anefa niankohoka teo aminy ilay vehivavy. Toetra feno fanetren-tena no nasehoan’ity vehivavy ity, satria na dia natao tahaka ny amboa aza izy sy ny zanany vavy dia nekeny izany, raha izay no hitany fa hahasitrana an’ity farany. Ny tiana ambara amin’ny atao hoe amboa mantsy dia mandray zavatra tsy fantatra. Finoana lehibe no hitan’i Jesoa tao aminy ka izay no nanekeny ny hanasitrana an’ilay zanany vavy. Mitaky finoana sy fanetren-tena àry, araka izany ny fahazoana fahasoavana.

Eto ny famonjena àry, dia tsy natokana ho an’i Israely intsony, fa ho an’izao tontolo izao mihitsy. Ny finoana no antoka hahazoana azy fa tsy amin’ny maha taranak’i Israely, izay vahoaka voafidin’Andriamanitra, intsony akory. Ny Evanjely dia natao ihany koa ho an’ireo tsy mpino mba hahazoany ny famonjena izay nentin’i Kristy fa tsy ho antsika kristianina irery ihany. Ary aoka mba tsy ho ny tsy kristianina no hino sy hanatanteraka izay nandidian’i Jesoa noho isika kristianina, toy ity vehivavy ity, izay mino an’i Jesoa noho ireo vahoaka Jody sasany. Isika ary araka izany no tokony hijoro ho vavolombelona voalohany amin’izany.

Tompo ô, omeo finoana sy fanetren-tena izahay hahafahanay mijoro ho vavolombelonao.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 30 jona 2025

• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...