Sabotsy 22 febroary 2020 — Fiketrahan'i Masindahy Piera — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 16, 13-19 — Ianao no Piera (vato), ary eo ambonin'izany vatolampy izany no hanorenako ny Egliziko, ary ny vavahadin'ny afobe tsy hahresy azy.

0 : 00

Fototra maneho ny maha Izy an’i Jesoa sy ny fitohizan’ny asa nanirahana Azy no asongadin’ity Evanjely, vakiana manokana amin’ity andro ankalazana ny fiketrahan’i Md Piera ity. Jesoa izay tsy toy ireo olon-tsotra araka ny fahalalan’ny maro fa manana ny mampiavaka Azy manokana, indrindra tamin’ny teniny sy ny fampianarany ary ny asa nataony.

Ireo mpianatra, nanara-dia an’i Jesoa, niara-nitoetra taminy, vavolombelon’ny asa nataony sns… dia tsy tokony hanara-drenirano amin’ny fahalalan’ny maro ny maha Izy Azy an’i Jesoa fa hanana ny azy manokana, izany hoe: “manambara am-pinoana ny maha Izy Azy an’i Jesoa".

Ny valitenin’i Md Piera eto no manambara mazava ny momba an’i Jesoa, ny maha Zanak’Andriamanitra Azy; izay tsy teny lazaina amin’ny maha nofo sy rà fa fanambarana avy amin’Andriamanitra. Tsy afaka hanambara an’Andriamanitra na oviana na oviana mantsy ny saintsika olombelona raha tsy tsiloviny. (Cf Mt 11, 27; Ga 1, 15-16) Ary noho io asany tao amin’i Piera no nahalalany tanteraka ny tsiambaratelon’ny maha Izy Azy an’i Jesoa ka nanambara izany ampahibemaso, izany hoe: nanehoany ny finoany an’i Kristy.

Io finoana nasehon’i Piera io no vatolampy nanorenan’i Kristy ny Fiangonany, nanandratany azy ho mpiandry ondry faratampony ao amin’ny Fiangonana mba hampianatra sy hanamafy ny finoan’ireo rahalahiny ary hitana ny fanalahidin’ny lanitra.

Angataho Andriamanitra mba hahatontosa ny asa iantsoana azy ny Dimbin’i Md Piera izay  nanankinan’i Kristy ny Fiangonany ary isika rehetra hankato izay ambarany ka haharitra amin’ny finoana marina.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...