Alatsinainy 6 febroary 2023 — Herinandro Tsotra fahadimy Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Araikao amin’ny fanambaranao ny foko, ry Tompo, ary ny Lalànao no aoka hanenika ahy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 6, 53-56)

Ny lazan’i Jesoa Kristy amin’ny fanasitranana ny marary dia niely manerana ny tany ama-monina. Hany ka tsy nandreraka ny olona ny nanatona azy na dia avy lavitra izy ireo satria te ho sitrana, na dia tsy fantany tanteraka ary ny hoe : “Iza marina izany Jesoa izany?” Ho azy ireo mantsy dia tsy i Jesoa Mesia na zanak’Andriamanitra no hitany fa olona manana hery afaka manasitrana, izany hoe teo amin’ny lafiny ara-batana fotsiny.

Ankehitriny anefa, efa afaka manatona an’i Jesoa, tsy amin’ny alalan’ny dia an-tongotra lavitra sahala amin’ireto olona ireto intsony isika, fa amin’ny alalan’ny finoana sy ny fivavahana. Tsy tian’i Jesoa ireo olona tamin’izany ho voagejan’ny aretina ara-batana fotsiny fa indrindra ny aretina ara-panahy dia ireo karazam-paharatsiana ao anatintsika ao.

Tamin’izany àry, dia ny mikasika ny akanjony fotsiny dia ampy mahasitrana, nefa ankehitriny dia izy mihitsy no monina ao anatintsika amin’ny alalan’ny Sakramentan’ny Eokaristia sy manala ny fahotantsika amin’ny alalan’ny Sakramentan’ny Fampihavanana, dia azo lazaina fa tena mitondra fanasitranana tanteraka mihitsy amin’ny fiainantsika manontolo. Ny fanasitranana izay entiny dia ny famonjena ho antsika.

Tompo ô, sitrano ireo marary ara-batana sy ireo marary ara-panahy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...