Alakamisy 13 febroary 2020 — Herinandro fahadimy mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 7, 24-30 — Fanilo ho an'ny tongotrao ny teninao, ary fanazavana ny lalako.
Te hiditra amin’ny fiainantsika i Jesoa ka hanova azy mba hitondrany famonjena. Mety ho mangingina izany fa mety koa ampahibemaso! Tsy maninona! Fa Izy miditra no zava-dehibe. Mahaiza mampandroso Azy! Avelao Izy hanjaka amin’ny fiainantsika fa raha tsy ampandrosointsika Izy dia hazava ho azy fa ilay ratsy no hisosoka. Amin’izay isika ho voa mafy! Koa isika koa eo amin’ny fiainana, matetika milaza hoe: “Aza midimiditra amin’ny fiainako”, indrindra rehefa misy fanitsiana tiana hatao. Ilaina mantsy ny mifanohintohina sy mifanohatohana. Meteza hahitsy fa tsy te hanan-dratsy izay manitsy.
Eto àry: tsy ny olona no miditra amin’ny fiainantsika fa Andriamanitra ka te hanitsy antsika Izy, te hanova antsika, hampibebaka antsika, hahazoantsika famonjena. Izany famonjena izany tsy azo kobonina ho antsika fotsiny fa tsara apariaka amin’ny hafa sy ny manodidina amin’ny maha fahasoavana azy. Eto amin’ny Evanjely izao: tonga tao amin’ny trano nidiran’i Jesoa ity vehivavy iray nanan-janaka vavy azon’ny fanahy maloto, tsy Jody akory fa firenena hafa. Tsy natao ho an’ny Jody ihany mantsy ny famonjena fa ho an’ny rehetra. Tonga izy nitalaho mafy ka niankohoka tamin’ny tongotr’i Jesoa hanasitrana ny zanany, dia ny handroahany ny demony amin’ny zanany vavy. Mino ity ravehivavy ity fa mahavita izany i Jesoa.
Tsy tonga dia nanaiky avy hatrany i Jesoa fa narahiny tsara aloha ny fomba Jody dia ny tsy ifampikasohana amin’ny firenena hafa na ny hizarana fahasoavana amin’ireny. Ka nilazan’i Jesoa taminy hoe: "Aoka ho voky aloha ny zanaka; fa tsy mety raha alaina ny mofon-jaza ka atsipy ny amboa". Tsy nampaninona an’ity vehivavy ity izany, eny na dia mafy aza ny tenin’i Jesoa taminy, satria mafy loatra noho izany ny nanjo ity zanany. Tsy nahasakana azy ny mafy nolalovany, tsy mora nikemo na kivy izy fa roso hatrany hany ka azony izay notadiaviny, tratrany ny tanjona. Nitalaho mafy tamin’i Jesoa izy, hany ka nahababo an’i Jesoa ny valin-teniny.
Tena tia antsika Andriamanitra ka babo amin’ny teny feno fanantenana sy fitokisana aboraka Aminy. Hita eto fa nandavorary ny fomba fisainana Jody i Jesoa ka nabaribariny fa ho an’ny rehetra tokoa ny famonjena, tsy manavakavaka Izy. Narodan’i Jesoa ny rindrim-panavahana, ny hantsana lalina mampisaraka an-draolombelona, nazerany ny havoanan’ny fanilikilihana fa nataony marin-drano ihany isika ka mitovy tantana. Ohatra lehibe ho antsika izany na ny nataon’i Jesoa na ilay vehivavy Sirofenisianina. Koa zovy amintsika no mbola ho sahy ifanavakavaka eo anatrehan’i Jesoa na ara-pirazanana, na volon-koditra, na foko. Enga anie isika ho afaka amin’ny demonin’izany rehetra izany ka mba ho tena iray ihany eo anatrehany. Amen!