Alakamisy 5 janoary 2023 — Mialoha ny Nisehoan'ny Tompo — Fahiny tamin’ny fotoana sy ny fomba samihafa, dia efa niteny tamin’ny razantsika Andriamanitra tamin’ny vavan’ny mpaminany, fa amin’izao andro farany izao kosa indray, dia tamin’ny alalan’ny Zanany no nitenenany tamintsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 1, 43-51

Ry kristianina havana, samy manana ny fomba nentin’Andriamanitra niantsoana antsika isika tsirairay avy, mba ho tonga mpianany. Henontsika tamin’ny Evanjely teo izao fa i Filipo dia nantsoin’i Jesoa mivantana mihitsy raha hiroso ho any Galilea i Jesoa : “manaraha ahy”. Teny an-dalana, nifanena tamin’i Jesoa i Filopo no nandray ny antso. Ary nandray avy hatrany izany Vaovao Mahafaly izany. Ary nampita avy hatrany tamin’ireo namany hafa, dia i Natanaely na atsoina ihany ko hoe Barthelemy, izany hoe fanomezan’Andriamanitra. Ka isika ihany koa ve mba vonona handray sy hampita ny antson’Andriamanitra niantefa tamintsika tsirairay avy, hanambara amin’ny hafa ny hafatra na ny antso avy amin’i Jesoa?

Ohatra velona ho antsika i Filipo, izay nihaona tamin’i Jesoa, dia tsy afaka ny hitana ho azy izany hafaliana izany ka tsindrian-daona be ihany hitantara izany amin’ny rahalahy sy ny mpiray monina, ny mpiray fiaviana sy ny olom-pantatra :

“Efa hitanay ilay voalazan’i Moizy tao amin’ny lalàna sy nambaran’ny mpaminany, dia i Jesoa zanak’i Josefa avy any Nazareta”.

Aoka isika izay efa tia sy mahafantantra an’i Jesoa mba ho mpanelanelana an’ireo izay mbola tsy mahalala azy. Tsy misy fanazavana azo omena an’izay misalasala anefa, afa-tsy ny fihaonany mivantana amin’i Jesoa: “Avia ary zahao”, manasa azy ireo hiombom-piainana Aminy. Tahaka ny nataon’i Filipo an’i Natanaely raha nisalasala: “moa mba mety hisy zava-tsoa ve avy any Nazareta”. Avy nihaona tamin’i Jesoa. Ka tao aorian’i fihaonan’i Natanaely tamin’i Jesoa dia nisokatra ny masom-pinoany: “Raby, ianao no zanak’Andriamanitra, ianao no Mpanjakan’i Israely.” Ny fihaonantsika amin’Andriamanitra no manova ny fiainantsika sy mampitombo ny fahalalantsika Azy. Ka Izy Tompo anie, hanamafy ny finoantsika Azy ao am-pontsika tsirairay avy.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...