Sabotsy 31 desambra 2022 — Andro fahafito amin'ny Havaloan'ny Noely — Ny Teny dia tonga nofo ka nonina taty amintsika. Izay rehetra nandray Azy dia nomeny fahasoavana ho tonga zanak’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 1, 1-18

Ry havana, mamarana ny havaloan’andro fankalazana ny Noely isika anio. Ary mamarana ny taona 2022 ihany koa. Rentsika tamin’ny Evanjely teo fa Ilay Teny, Tenin’Andriamanitra, dia efa nisy talohan’ny nahatongavany ho nofo. Hoy indrindra ny fiekem-pinoantsika :

“teraky ny Ray talohan’ny taona rehetra,
Andriamanitra avy amin’Andriamanitra”.

Io Tenin’Andriamanitra tonga nofo io no manambara an’Andriamanitra amintsika. Io Tenin’Andriamanitra io no mampahafantatra antsika an’Ilay Andriamanitra Ray, satria sady tao amin’Andriamanitra Izy no tena Andriamanitra ihany koa. Talohan’ny nahaterahany tety an-tany, talohan’ny nisehoany tao an-tranon’omby tany Betilehema, dia efa nisy tao amin’ny fiombonan’ny Trinite Masina ny Teny. Araka izany, rehefa mijery an’i Jesoa teraka tety an-tany, dia tsy tokony ho hadinontsika fa Andriamanitra no miseho amintsika.

Hatrany amin’ny Testamenta Taloha, tamin’ny andron’i Moizy, dia efa niseho tamin’ny endrika maro tamin’ny vahoakany Andriamanitra. Nasesiky ny fitiavana Izy ka tsy nitsahatra naneho izany fitiavana izany tamin’ny vahoakany. Loharanom-pahasoavana sy fahamarinana Andriamanitra ka izany indrindra no namehoany ny fifandraisany tamin’ny vahoaka Israely. Ary rehefa tonga tety an-tany i Jesoa, dia nasehony miharihary tamin’ny olona io fahafenoan’ny fahasoavana sy fahamarinan’Andriamanitra io. Ny fankalazana ny Noely no nitsimohan’ny fahasoavana sy fahamarinana nentin’i Jesoa ho an’ny olon-drehetra. Koa izay mino an’i Jesoa dia tafiditra ao amin’ny hafenoana vaovao, satria sady mahalala an’Andriamanitra no tonga zanak’Andriamanitra rahateo. Hany ka mahalala ny zavatra rehetra, araka ny ambaran’i Masindahy Joany amin’ny vakiteny voalohany androany.

Aza mandraraka ilo mby an-doha. Tandrovy mandrakariva ny maha zanak’Andriamanitra anao fa efa voahosotr’ilay Masina ianao. Arovy ny finoana satria, avy ary efa misy antikristy maro ankehitriny, hoy hatrany i Masindahy Joany. Ny jery todiky ny taona hivalona androany no hanampy antsika hanamafy hatrany ny finoantsika mba ho afaka manao dingana vaovao ihany eo am-pamakivakiana ny taona vaovao. Samia ho tahin’Andriamanitra.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...