Zoma 30 desambra 2022 — Ny Fianakaviana Masina — Taona A — Fety — Hanjaka ao am-ponareo anie ny Fiadanan’i Kristy; ary hitoetra be dia be ao anatinareo ny tenin’i Kristy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 2, 13-15. 19-23
Mankalaza ny fetin’ny Fianakaviana Masina isika anio. Dia i Jesoa sy i Maria ary i Josefa. Fianakaviana tonga lafatra ny fianakavian’izy telo mianaka tao Nazareta. Fa fianakaviana fakan-tahaka ho an’ny fianakaviana tsirairay ihany koa, noho ny fifankatiavan’izy telo mianaka. Nijoro hatrany ho raim-pianakaviana mahatoky i Masindahy Josefa, niambina sy niahy ary nitia ny vady aman-janany. Hita taratra hatrany izany na tany Betilehema na tany Ejipta ary na tany Nazareta. Toy izany koa i Masina Maria : nitia marina ny vady aman-janany ary nanaja sy nahay nanetry tena. Ary tsy azo hodian-tsy hita ny faneken’i Jesoa fatratra an’ireo ray aman-dreniny.
Nanoloana ny fikasan’i Herôda hifofo ny ain’i Jesoa zazakely, dia nantsoin’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny anjeliny i Josefa mba hitondra an’i Jesoa Zazakely sy ny reniny, handositra any Ejipta. Tsy niandry ela i Josefa, fa nifoha avy hatrany dia nanao izany araka ny nolazain’ny anjely taminy. Hitantsika misongadina avy hatrany eto ny faneken’i Josefa sy ny fanatanterahany ny sitrapon’Andriamanitra. Nifoha, niainga tamim-pinoana, niaraka tamin’i Jesoa sy Maria i Josefa. Tsotra ny antony : tsy maintsy arovana ny ain’ny zaza.
Ny toe-javatra niainan’ny Fianakaviana Masina, dia mety iainan’ny fianakaviana maro ankehitriny ihany koa. Tsy maintsy mitady ny fomba rehetra isika hiarovana ny aina, indrindra indrindra isaky ny misy zaza tandindonin-doza ny ainy. Maro ny fianakaviana, raha tsy hilaza fa ny fianakaviana rehetra, no miaina anaty fitaintainana vokatry ny ady, ny hanohanana, ny herisetra, ny fialonana sy fifandirana... Rariny àry, raha mitady fiarovana, fandriam-pahalemana, fitoniana, isika. Amin’ny maha kristianina antsika anefa, dia tsy tokony hijanona amin’ny faniriana maha olombelona fotsiny izany, fa tokony hifototra amin’ny fanatanterahana ny Tenin’Andriamanitra, tahaka ny nataon’i Josefa. Ny finoana no hahazoantsika fiarovana sy fitoniana marina. Ohatra lehibe ho an’ny raim-pianakaviana i Masindahy Josefa, amin’ny fiahiana sy fiarovana ny vady aman-janany. Ny mampalahelo ankehitriny dia maro ireo raim-pianakaviana no mialangalana, mampijaly, mamela ny vady aman-janany hisedra ny onjam-piainana…
Amin’izao fankalazana ny fetin’ny Fianakaviana Masina izao, dia entintsika am-bavaka ny fianakaviana tsirairay avy, mba samy haka tahaka ny fiainan’i Jesoa sy i Maria ary i Josefa, ka hampanjaka ny fifankatiavana sy ny fifampitokisana ary ny fiahiana sy fiarovana ny ankohonana.