Alakamisy 22 desambra 2022 — Herinandro mialoha ny Noely — Ry ilay Fahendrena izay mandahatra ny zavatra rehetra amin-kery sy amin-kalemem-panahy, avia mba hampianatra anay ny lalan’ny fahamarinana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 1, 46-56

Mampianatra antsika eto ny Evanjely fa fanomezan'Andriamanitra izay rehetra eo am-pelatanantsika, eny fa na dia ny taranaka aza. Manasongadina an'i Masina Maria ihany koa i Masindahy Lioka amin'izany ka narindrany ho tononkira ny fiainan’ity renin'Andriamanitra ity, ary hiraintsika isan’andro izany. Notsilovin'Andriamanitra ny fahambaniantsika, mahefa ny asa mahery tamin'ny sandriny izy ary mahefa zava-dehibe amintsika tsirairay avy. Izay mahatsapa izany ihany no afaka mankalaza azy nahary, na mbola tsy mangataka aza isika dia fantatry ny Ray izay mahasoa. Mitsinjo ny zanany rahetra izy. Tsy hoe sanatria, niangaran'Andriamanitra i Masina Maria fa asehon'ny Fiangonana kosa, ho modely ka na dia teo aza ny ngidim-piainana natrehany tety ambonin'ity tany ity, dia ny lanitra kosa no valisoa nomena azy, satria zanaka mendrika handova ny fanjakana izy, mino sy matoky ny fitiavan'ny Ray. Izany finoana izany no nahafahany nihira sy ahafahantsiaka mihira ihany koa ny tononkiran'ny Maria eto am-pamakivakiana ny fiainana eto an tany.

Ny litorjian’ny Eglizy dia manentana ny zanany rehetra hiventy ny tononkiran'i Maria isan-kariva, hibanjina ny asa lehibe nontanterahan'Andriamanitra mandritra ny andro, ka hamaranana ny andro amin'izany hafaliam-po izany.

Ireto ny asa fito nataon'Andriamantra araka ny fitanisan’i Masina Maria :

  1. Ny sandriny mahery no natsotrany hanavotra izay very (Det 5, 18);
  2. Mampiahaka ireo mpiavonavona izy, dia ireo izay mihevitra ny ho avotra sy ho sambatra noho ny herin'ny tenany ;
  3. Nanongana ny mpifehy ;
  4. Nasandrany ny ambany ;
  5. Ny noana hovokisany ;
  6. Fa ny mpanan-karena hampitondrainy tanam-polo tsy misy hitondra na inona na inona, hiala amin'ity tany ity, afa-tsy ny harena nohariantsika teo anatrehan'Andriamanitra ;
  7. Miahy Andriamanitra, ary ampahatsiahivin'i Masina Maria antsika fa tsy miova mandrakizay ny fitiavany.

Hanomana ny fontsika hankaza ny Noely anie, ny fitanisana ny zava-tsoa ataon'Andriamanitra ho antsika.

[Miara-dàlana] Zoma 19 septambra 2025

• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...