Alahady 16 febroary 2020 — Alahady fahenina mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 17-37 — Fanahy sy fiainana, ry Tompo, ny teny voalazanao. Ianao no manana ny teny fiainana mandrakizay.

0 : 00

Ny lalàna sy ny Mpaminany no mamaritra ny atao hoe: Testamenta Taloha, na ny Fanekem-pihavanana nataon’Andriamanitra tamin’ireo vahoaka fahiny. Ary ho an’i Jesoa dia zava-dehibe loatra io Lalàna sy Mpaminany io, antony dia satria mirakitra ny sitrapon’Andriamanitra.

Nisy anefa no nandika vilana sy nandiso ny tena hevitra ambarany, ny fomba iainana azy ary ny tanjona kendreny, anisan’izy ireny ireo mpanora-dalàna sy farisianina, ka nanova tanteraka ny fomba andraisana azy toy ny fombafomba ivelany fotsiny.

I Kristy ilay Andriamanitra, tompon’ny Lalàna ary fahatanterahan’ny faminaniana no mampianatra antsika ny fomba sy ny toetra vaovao entina miaina sy manatanteraka ireo nomen’Andriamanitra antsika, na tamin’ny alalan’i Moiizy na tamin’ny alalan’ireo Mpaminany, mba hahamarina izay rehetra ataontsika sy iainantsika ary hahazoantsika sitraka eo imasony. “Izaho kosa milaza aminareo …..” tenin’i Kristy, dia maneho fa ao Aminy no tanteraka sy tonga lafatra ny Lalàna sy ny Mpaminany.  Ka tsy ny toetra sy ny fomba maha olombelona intsony no entina mankatoa ny Lalàna fa ny fomban’Andriamanitra, izay mahita ny ao anatin’ny olona tsirairay ary mahalala ny toe-po manentana azy.

Voalohany amin’izany dia ny hoe: “ny tsy fahampian’ny fitiavana, fototry ny fahatezerana sy ny ratsy atao amin’ny hafa, dia efa famonoana olona ka mahavoaheloka antsika eo anatrehan’Andriamanitra.”

Faharoa itondran’i Kristy fampianarana vaovao ihany koa ny fomba hanajana sy hitandrovana ny hasin’ny fanambadiana sy ny fositra manimba ny fiainan’ny mpivady. Dia ny fijangajangana, izay tsy asa mivantana ihany fa faniriana ao anaty.

Ary farany, fampianarana vaovao entin’i Kristy eto amin’ity Evanjely ity, ny fanajana ny teny nomena na ny fianianana natao, mba hanehoana izany amim-pahitsiana.

Fampianarana vaovao sy lavorary no natolotr’i Kristy antsika anio, hiainantsika ny tena fitiavana, fototry ny didy sy ny hafatr’Andriamanitra nampitainy tamintsika olombelona. Ary Izy Tenany no naneho ohatra mba ho tahafintsika, koa meteza isika ho olom-baovao ao amin’i Kristy, hanao ny sitrapon’ny Ray toy ny nanatanterahan’i Kristy azy, ary hanovo hery ao Aminy mandrakariva fa Izy no “Làlana sy fahamarinana ary Fiainana” ho antsika. (Jo 14, 6)

[Miara-dàlana] Alatsinainy 24 marsa 2025

• Tafajoro ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina ny Aumônerie de Catholique de l'Administration Pénitencière na ny ACAP, izay miandraikitra ireo mpikatroka eny anivon'ny fonja... • Ny 26 sy 27 avrily 2025 no hanatanterahana any Vohipeno ny pelerinazy diosezanina, iarahana amin'ny Olontsambatra Lucien Botovasoa... • Manosika antsika kristianina hanova fiainana ny faharetan'Andriamanitra, hoy ny Papa François omaly, tao amin'ny fandalinam-pinoana nomaniny, nozaraina tao amin'ny tranon-kalam-pifandraisan'i Vatican...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...