Alakamisy 17 nôvambra 2022 — Herinandro Tsotra fahatelo amby telopolo Mandavantaona — Andriamanitra no nampihavana an’izao tontolo izao indray tamin’ny alalan’i Kristy sy nametraka indray ny teny fampanantenana tamintsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 19, 41-44

Eto amin’ity Evanjely ity no hanehoan'i Kristy ny alahelony antsika olombelona, tsy mahatsapa ny zava-dehibe ataon’Andriamanitra antsika isan’andro isan’andro. Izay tsy zavatra mandalo ihany akory ireny fa natao hanavao hatrany ny fiainana sy hahazoantsika fiadanana tanteraka.

Raha tsahivina, i Jerosalema dia Tanana nanana tombondahiny teo anatrehan’Andriamanitra fa toerana ahitana ny Tempoly, maneho ny maha eo anivontsika olombelona an’Andriamanitra, Tanana nanaovan'i Kristy ireo fahagagana maro maneho sy mampiharihary ny hery sy ny fahefan’Andriamanitra amin’ny maha Mesia Azy. Indrisy anefa fa toa tsy tsapan’ireo mponina tao akory izany. Tsy nasiany akony na dia kely akory aza. Raha mino an’Andriamanitra tokoa mantsy izy ireo dia hankatoa Azy tanteraka ary dia handray an'i Kristy, ilay mpamonjy nirahin’Andriamanitra ho azy ireo voalohany, noho izy ireo vahoaka voafidy sy ho an’izao tontolo izao. Ary fiainan’izy ireo izany fankatoavana an’Andriamanitra sy finoana an'i Kristy izany anefa no antoky ny fijoroany sy faharetany mba ho rehareha sy vavolombelon’ny famonjena ataon’Andriamanitra an’izao tontolo izao. Tsy izany anefa no niseho ka faharavana tanteraka no niafarany.

Anatra ho antsika io nanjo an'i Jerosalema io, anatra mba hizorantsika amin’ny lalana itondran’Andriamanitra antsika, anatra mba entintsika manova famindra, iainana tsara ny finoana ary hahaizantsika koa mampamokatra ireo zava-dehibe, tombom-pitiavana ataon’Andriamanitra antsika isan’andro.

Jesoa ô, nasehonao anay anio fa malahelo Ianao rahefa misy endrika faharavana sy fahasimbana eo aminay zandrinao. Ny hamonjy anay no nahatongavanao koa enga anie izahay mba tsy hanary foana ireny fahasoavana, mariky ny fitiavanao anay ireny, fa hiezaka hampamokatra azy, hahatonga ny fiainanay ho fiainanao.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 aprily 2024

♦ Tontosa omaly ny fanamasinana ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe an'i Mgr Jean Désiré Razafinrina... ♦ Nanatontosa fivoriambe, ireo relijozy rehetra miasa ao amin'ny Diôsezin'Ambanja tamin'ny 4 hatramin'ny 7 aprily 2024... ♦ Hotanterahana ao Vohipeno, toerana naha martiry an'i Ramose Botovasoa, Olontsambatra, ny fanokafana ny taon-jobily fahatelo nandraisan'i Masindahy François ny fery dimin'i Kristy...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...