Alatsinainy 14 nôvambra 2022 — Herinandro Tsotra fahatelo amby telopolo Mandavantaona — Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny Lalànao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 18, 35-43

Azo lazaina hoe : Dingana tokony izorantsika olombelona, ity nanjo sy nampahiratana an’ity jamba, tantarain’ny Evanjely teo ity, mba hanarahan-dia akaikaiky kokoa an’i Jesoa. Tsy ny fomba na izay heverintsika fa mety mantsy no iainantsika na ataontsika rahefa manara-dia Azy isika, fa izay atorony sy ampianariny. Io ilay fiainana kristianina, miavaka amin’ny maro ary toa manohariana amin’ny fomban’izao tontolo izao mihitsy aza. Tsy afaka halala an'i Kristy isika raha tsy ampahiratiny, izany hoe sitraniny amin’ny fahajambana :

  1. Fahajambana ara-panahy, hisokafan’ny tenantsika sy ny fiainantsika manontolo any amin’Andriamanitra, mba ankatoavantsika sy itandremantsika ny didiny.
  2. Afahany amin’ny fahajamban’ny fo mba hitempo fitiavana ny olona rehetra fa indrindra ireo mila ny fanampiana avy amintsika.
  3. Sitraniny amin’ny fahajamban’ny saina mba hahay hitsinjo ny ho avy, hikatsaka ny soa ho an’ny maro; hanatsara ny fomba enti-miaina, tsy hanaonao foana fa hahay handinika sy handanjalanja ny atao, fa indrindra izay sitrak’Andriamanitra tokony ho tanterahina.

Ireo lafiny ireo no fototra iainana ny maha kristianina, ka mila ampahiratina tsara. Hahatonga ny tsirairay ho, isan’ny mpianatra, mpanara-dia an'i Kristy. Tsy ho very na sarona ao anatin’ny maro fa ho tena mpanara-dia Azy akaiky. Ombieny ombieny ny fiainana, tonga amin’ny fomba fiteny hoe : "Izay mahamay aloha no tsofina" ka adino na modia tsy hita ny maha kristianina ny tena; indraindray tao minia mikipy tsy te hahalala amin’ireo toetra sy fomba fiaina mampiavaka amin’ny maha mpivavaka na maha kristianina.

Izay jamba aoka hiaiky ny fahajambany ary hanatona an'i Kristy mba hampahiratiny. Ary izay efa mahiratra, tsy hihevitra ny tenany ho jamba. Mba ho hita taratra ny maha fanasina sy fahazavana antsika.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 aprily 2024

♦ Tontosa omaly ny fanamasinana ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe an'i Mgr Jean Désiré Razafinrina... ♦ Nanatontosa fivoriambe, ireo relijozy rehetra miasa ao amin'ny Diôsezin'Ambanja tamin'ny 4 hatramin'ny 7 aprily 2024... ♦ Hotanterahana ao Vohipeno, toerana naha martiry an'i Ramose Botovasoa, Olontsambatra, ny fanokafana ny taon-jobily fahatelo nandraisan'i Masindahy François ny fery dimin'i Kristy...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...