Zoma 11 nôvambra 2022 — Herinandro Tsotra faharoa amby telopolo Mandavantaona — Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo, ary tsara fa amin’ny asany rehetra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 17, 26-37

Mampahatsiahy ny tantaram-pamonjena i Jesoa eo am-pianadrasana ny andron’ny Zanak’Olona, dia izay hiaviany amim-boninahitra izany: tamin’ny andron’i Noe variana nihinana sy nisotro ny olona ary nampaka-bady sy namoa-jazavavy, ka nisian’ny safo-drano nandringana ny voary rehetra afa tsy izy valo mianaka. Teo koa ny tamin’i Lota, toraky ny teo ihany: nihinana sy nisotro ny olona, nividy sy nivarotra, ary namboly sy nanao trano ka nisian’ny afo solifara nandringana azy rehetra, afa tsy i Lota mivady sy ny zanany mirahavavy, saingy ny vadin’ny Lota nandika ny lalàna napetraka ka mbola niherikerika nijery, hany ka lasa vongan-tsira. Aza manao ny danin’ny kibo, na manjehy ny andro ho lava, na manao ampitso ampitso lava, aza mampanaram-po ny vatana sy ny filàny, aza miliba. Aza miandry ora farany fa ho tampoka ny fiaviany. Tsy ny handringana antsika mantsy no mahamaika an’Andriamanitra fa tiany aloha isika hibebaka sy hiova, fa raha miziriziry sy be kiriana tsy mibebaka, amin’izay vao haringany. Aza miandry mpandringana vao hikoropaka! Sao tara loatra re! Fa ny miandriandry mahariva ny andro, ny manao ampitso ampitso lava hakamoana, ny tsy miomana amin’ny andro farany faharavana goavana. Koa aoka ho vonona mandrakariva fa rehefa vonona tsy hanan-tahotra amin’izany na ho raisina na ho avela. Koa raha mbola azo atao ihany koa dia aleo mivonona hatrany. "Izay hitady hamonjy ny ainy, dia hahavery azy, fa izay hahafoy azy no hamonjy azy" hoy i Jesoa.

Ny hoe: "Amin’izany andro izany, izay any ambony tafon-trano aoka tsy hiditra haka ny zavany ao an-tranony; toy izany koa, izay any an-tsaha aoka tsy hiverina haka izay nilaozany". Azo adika hoe: eo amin’ny sehatra sy ny toerana ary ny adidy aman’andraikitra sahanintsika no andraisana antsika. Ary eo am-piatrehana izany raha misy miaraka amintsika, raha tsy mitandrina dia mety hisaraka mihitsy ka ny iray ho raisina fa ny iray havela. Izany hoe: adidintsika ihany koa ny manaitaitra ny hafa sy ny manodidina antsika mba hiara-dia mandrakariva fa tety an-tany niaraka hatrany ka any ankoatra ve vao hisaraka? Ilaina ny mifanohintohina sy ny mifanohatohana mandrakariva ety an-tany fivahinianana ety. Ny fiarahan-dia tsy eto an-tany ihany fa hatrany an-danitra koa, izay no irariana, araka ny hirantsika hoe: "Miara-mizotra isika ho any Jerosalema vaovao", dia any an-danitra tanindrazantsika izany. Ka mahaiza manao tsara izay atao. Amin’izany indrindra, manafatra antsika i Masindahy Paoly hoe: "Ary na inona na inona ataonareo, na amin’ny teny, na amin’ny asa, dia ataovy amin’ny Anaran’i Jesoa Tompo ny zavatra rehetra, sy amin-pisaorana an’Andriamanitra Ray amin’ny alalany." Na amin’ny mora izany na amin’ny sarotra, na fifaliana na fahoriana. Koa aza miroa fo manao ny adidintsika!

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...