Alakamisy 10 nôvambra 2022 — Herinandro Tsotra faharoa amby telopolo Mandavantaona — Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana, hoy ny Tompo; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 17, 20-25

Aroso antsika eto izao ny mahakasika ny fanjakan’Andriamanitra. Valy tenin’i Jesoa tamin’ny Farisianina. Tsara averimberina fa tsy mitovy amin’ny fanjakan’izao tontolo izao ny fanjakan’Andriamanitra. Ambarany aloha izay tsy izy : - Tsy mba manetriketrika fiavy ny fanjakan’Andriamanitra. Fa tonga ao an-tsaina mialoha raha vao miteny hoe fanjakana mantsy ny rentirenty sy ny fisehosehoana ary ny fipoapoakany fa raha tsy izany tsy manakoako na manetriketrika izy. Matetika ny fanjakana heverintsika dia ny an’izao tontolo izao: misy mpitondra sy vahoaka ka andrianina sy tsy refesi-mandidy ny mpitondra, mitady izay fomba hitazonana ny sezany sy hampaharitra eo, arovana mafy ny ainy. Fa ny vahoaka etsy andaniny misy ny valala be mandry, ho an’ny firenena sasany amin’ny fifidianana ihany vao afaka manapa-kevitra amin’izay hitondra azy, amin’izany aza moa mbola misy ny hala-bato… Tsy izany anefa ny fanjakan’Andriamanitra.

Manaraka izany, mazava koa eto ny lazainy: "Hilazan’ny olona ianareo fa hoe: "Indro erỳ; na indro etỳ"; nefa aza mankany, na manaraka izany akory". Tsy mbola izy koa izany. Izao anefa: na efa izany aza ny teniny mbola misy voasarika mankany ihany, mandeha atsy sy aroa, mitetitety sy mifindrafindra. Maninona raha tazonina ny an’ny tena fa tsy mora mifindra toa tsipolitra antitra na koa toy ny lolo mitety voninkazo; tsy aleo atao toy ny fefiloha ka ny manatevina ihany no mety hisorohana ny fahavakisany! Tandremo sao sodokan’ireny. Tsy toerana voafaritra hita maso araka izany ity fanjakan’Andriamanitra ity. Koa asakasak’ireny misora-tena toa voatango na midoka-tena toa papelika hoe ato ny fanjakan’Andriamanitra ireny, mbola tsy izy ihany koa izany.

Rehefa tsy izany àry dia aiza izy? Hoy i Jesoa mamaly azy: "Ao anatinareo ny fanjakan’Andriamanitra." Azo ny tiany hambara, tsy ilàna fanampim-panazavana lava intsony. Ao anatintsika ka tokony ho andriamanjaka ao Izy Andriamanitra fa tsy ny hafa ary isika no aoka ho vahoakany tiany. Ao amintsika tsirairay avy io fanjakan’Andriamanitra io ka avelao Izy no hanjaka fa aza omena laka ao ny fahavalony, izany hoe ny demony. Satria raha tonga zanak’Andriamanitra isika noho ny batemy noraisintsika dia Izy Andriamanitra no tokony hanjaka tanteraka ao. Mikely aina fatratra anefa ny demony handrava io fanjakan’Andriamanitra io mba hahafahany manjaka ka tsara miady mafy isika hanohitra izany ka hitana mafy io fanjakan’Andriamanitra io tsy ho voahozongozona na sanatria ho ravan’ny mpisompatra. Azo lazaina àry fa mifanohy amin’ny Evanjely omaly ny hevitr’ity androany ity, dia ny hoe raha isika no tempolin’Andriamanitra, ny fanjakany izany ao anatintsika. Ka aza mitady any ivelany, fa tsapantsika ve izany? Koa miorena mafy amin’ny finoana mba ho tsara orina ny fanjakan’Andrimanitra ao anatintsika ka hisantarantsika dieny izao ilay fanjakan’Andriamanitra hitodiantsika rahatrizay dia ny fiombonana aina aminy tanteraka mandrakizay.

[Miara-dàlana] Zoma 19 aprily 2024

♦ Feno 19 taona katroka androany ny Radio Faniry Antsiranana... ♦ Fiantsoan'Andriamanitra, fahasoavana sy asa fanirahana: io no lohatenin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany Hivavahana ho an'ny Fiantsoan'Andriamanitra, amin'ity taona 2024 ity, avy amin'ny Papa François... ♦ Fahaiza mamehy tena sy fahaizana mamela ny tena tsy ho resin'ny filan-dratsy ny fahalalana onona, hoy ny Papa François, tamin'ny Audience Générale...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...