Alarobia 9 nôvambra 2022 — Ny nitokanana ny Bazilika ao Latran — Izay rehetra mangataka ao an-tranoko dia mahazo, hoy ny Tompo; izay mitady dia mahita, ary izay mandondòna dia hovohaina — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 2, 13-22

Fety nitokanana ny Bazilika ao Latran amin’ity andro ity ka mahakasika izany indrindra ny tenin’Andriamanitra naroso teo. Maneho ny maha iray ny Eglizin’i Kristy ity fety ity satria katedralin’i Papa io Bazilika io amin’ny maha-Evekan’i Roma azy. Tsy azo sarahana amin’ny maha Evekan’ny Roma azy anefa izany; araka izany Reny Fiangonana io Baizilika io. Maneho ny maha Reny ny Eglizy izy, famantarana hita maso. Fa araka ny fantantsika, vatan’i Kristy ny Eglizy, vadiny malalany, ary mandrafitra io vatan’i Kristy io isika. Fony Izy tety an-tany, raha nankao an-Tempoly ka nahita ny tsena tao dia nandrava izany an-kasahiana.

Marihina etoana aloha fa atao fanatitra na fanoneram-pahotana ireo karazam-borona sy biby ireo ho an’ny Jody tamin’izany. Fa ny hafetsifetsena sy ny kolikoly ary ny fanararaotana mihoa-pampana, ny fitadiavana tombony be nanjaka tao no tsy mety. Ka izany no antony nandravany azy satria tsy natao itadiavana tombontsoa manokana ny raharahan’Andriamanitra. Mbola misy tarazon’izany anefa ankehitriny izao ka manao ny fivavahana ho fitaovana ho an’ny tenany manokana sy ny fianakaviany ka loza izany, mitady ny fomba rehetra ikatsahana tombotsoa manokana na amin’ny vavaka aza. Tsara raha ajanona na ravana haingana fa aza miandry an’i Jesoa handrava an’izany.

Nambarany tamin’izany koa fa Tempoly ny tenany. Tsy nampaninona Azy ny nampitovy ny tenany tamin’ny trano. Iray ihany izany i Jesoa sy ny Tempoly ka aza manimba na mamotika ny tranon’Andriamanitra isika fa zava-doza izany. Efa tsinjony sahady ny handravantsika io Vatany Tempoly io raha vao manomboka ny asany Izy; ka tanteraka izany rehefa tonga ny fotoana; saingy natsangany indray izany tamin’ny hateloana. Izany hoe misy ifandraisany ny Tempoly natsangan’ny Jody fahizay sy ny Tenany, izay Tempoly velona ary mbola azo tohizana aza hoe: Isika koa no Tempoly velona ankehitriny; koa aza avela hisy mpivarotra sy mpividy na mpanakalo vola mipetraka ao! Aza avela hisy kotabataba ao, dia ny kotaban’ny adim-piainana, ny tebiteby amam-pahoriana, ny fahasarotan’ny fiainana, ny tsy fisiana, ny aretina, ny fahaverezan’asa na ny tsy fahitana asa, ny firimorimon’ny fandrosoana, ny fivoaran’ny teknolojiam-pifandraisana tsy voafehy, ny valan’aretina, aza omena hirika ny demony hikiakiaka amin’ny Tempolintsika fa toeran’Andriamanitra ao fa tsy azy! Ny trano natao honenana, ny fasana natao hilevenana, ny lanitra natao hitodiana mandrakizay saingy efa santarina eto an-tany izany ka hita miharihary, indrindra moa rehefa ao an-tranon’Izy Tompo. Tsy tiany hisaraka Izy Loha sy ny Vatany. Koa alao hery fa aza manary tena!

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...