Alatsinainy 7 nôvambra 2022 — Herinandro Tsotra faharoa amby telopolo Mandavantaona — Ny fitsipikao, ry Tompo, mahafaly ny fo; ny baikonao mazava manilo ny maso — Evanjely Masina nosoratan'i Masindady Lioka 17, 1-6

Ratsy ny fanafintohinana fa ratsy kokoa ho an’izay iaviany, araka ny lazain’i Jesoa eto. Misy mantsy tsy mikendry afa-tsy izay hahatafintohina ny hafa ka hampahatezitra azy. Mety amin’ny alalan’ny teny io na fihetsika. Mety hitranga koa ny hoe tsy fanahy iniana akory ny nanaovany izany fa tonga dia tafintohina fotsiny izao satria zavatra hafa no nandrasana ka zavatra hafa no mipoitra. Misy koa moa mifampiandry kendry tohina ka mora tafintohina. Fa mora tafintohina koa isika rehefa manjaka ny fankahalana ka tsara esorina mialoha io ; izany hoe, aoka tsy hifankahala velively fa manohitra ny fifankatiavana, araka ny didy nomen’i Kristy antsika izany. Aza manisy vato na fandrika haminganana ny hafa mba hahatafintohina azy !

Fa ratsy ny fanafintohinana na ahoana na ahoana ka aleo mitandrina mba tsy hahatonga izany araka izay azo atao. Fa mafy ny tenin’i Jesoa eto : "Aleo anantonana vato fikosohan-dafarina ny vozony ka alentika any anatin’ny ranomasina izy, toy izay manafintohina na dia ny anankiray amin’ireto madinika ireto aza." Raha tohina ny aty, marary ny afero, hoy ny fiteny. Toy izany koa : raha tohina ny madinika dia voakasika ihany koa i Jesoa satria endriny izy ireny. Tsy maintsy ho avy ny fanafintohinana, fa loza no hanjò an’izay iaviany ! Koa aza mifanafintohina. Fanafodiny ny mitandrina, hoy i Jesoa.

Ankoatra izany, ampianarin’i Jesoa koa isika hifamela. Aza mitana lolom-po ! Na somary sarotra amintsika aza izany. Misy milaza hoe : "Ny mamela anie vita fa ny ratram-po sarotra tsaboina e !" Dia izany ve no tsy hamelana ? Eto aza misy fanamarihana ataon’i Jesoa : tsy izay diso no manatona voalohany fa izay nanaovana hadisoana. Sarotra amintsika ihany koa io matetika satria entin’ny avonavona sy fanambonian-tena isika ka miandry azy diso hanatona foana ! Tsy mety anefa izany, araka ny Evanjely eto. Mahaiza midina manetry tena e ! mahaiza mamela fa ahazoana tombony kokoa izany na ho an’ny vatana na ho an’ny fanahy : fiadanam-po sy hafaliana fa ny mifanohitra amin’izany mamboly aretina ho an’ny vatany sy ny fanahiny ka ho loza ny hiafarany : aretim-po sy havinirana, fanahy feno tasy. Fahotana mitarika fahotana hafa ny tsy fahaiza-mamela, koa tsy aleo ialàna ! Manaova toa an’Andriamanitra : na inona na inona hadisoantsika, rehefa miverina aminy isika, mamela antsika Izy ! Tsy indray na indroa na intelo fa matetika aza ! Nefa avelany foana rehefa miverina aminy. Tsy atao kajikajy izany famelana izany fa atao feno tsara satria izany no ambaran’ny isa fito eto : "Raha miverina impito ka manao hoe : "Mifona aho, dia mamelà." Ny an’ny sasany aza moa indray mandeha tsy vita ka mainka fa im-pito ? Ny an’ny hafa indray : indray, indroa vita ihany fa raha miverimberina tsy lasa intsony. Ao koa moa ireo manararaotra hoe "Rehefa mifona aho dia avelany foana fa aleo aloha ataoko ihany dia hifona aho rehefa avy eo". Mazava ny valin-kafatra omen’i Jesoa antsika eto. Izao ihany re : aza miandry ela amin’ny famelana fa tolory indrafo ny olona dieny ety an-tany fandalovana mba tsy hanenenana any aorina, na maharary aza izany.

Farany, teo anatrehan’izany, nangataka tamin’ny Tompo ny Apôstôly hoe : "Ampitomboy ny finoanay." Fa hoy ny navaliny : "Raha manam-pinoana ohatra ny voan-tsinapy iray ianareo, dia mahazo milaza amin’io voaroihazo io hoe : "Miongòta, ka mifindrà any anatin’ny ranomasina", dia hanaiky anareo izy." Mila mampitombo sy mandalina io finoana io. Fa aza atao toy ny akofa ka mora manidina sy paohin’ny rivotra ! Aza avela hiriorio toy ny angidina ka ho any an-kady no hiafarany ! Aza atao toy ny tana ka mora miova loko ! Aza atao toy ny palitaon’ny mpanao politika e : mora mivadika, sy hoe tsy mitaingina soavaly maty ! Mila mafy orina mantsy io finoana io ! Koa mahereza hatrany.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...