Alakamisy 3 nôvambra 2022 — Herinandro Tsotra faharaika amby telopolo Mandavantaona — Velona sy mahery ny Tenin’Andriamanitra; fantany mazava ny fieritreretana amam-pisainan’ny fo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 15, 1-10
Fanoharana momba ny famindram-pon’Andriamanitra no resahan’ny Evanjely anio. Ampianarin’ny Jesoa Kristy hahay hifaly, fa tsy hotafintohina velively manoloana ny fiverenan’ny mpanota amin’Andriamanitra isika. Mariky ny fitiavana marina izany satria fahatanterahan’ilay faniriantsika hikatsaka ny soa ho an’ny hafa eo amin’ny fiainana. Manana adidy hizara an’izany hafaliana izany amin’ny hafa ihany koa isika fa tsy sanatria hokobonina samirery.
Mila mibebaka ihany koa ianao raha sanatria ka manana fialonana noho ny soa azon’ny hafa, tahaka ny nahazo iretsy Farisianina sy mpanora-dàlana voalazan’ny Evanjely anio ity.