Alarobia 2 nôvambra 2022 — Fahatsiarovana ireo nody mandry — Avia, ianareo, ry nohosoavin'ny Raiko, handova ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nahariana izao tontolo izao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 6, 37-40

Mahatsiaro ireo mpino nodimandry isika anio. Ny Evanjelin’i Masindahy Joany, mahakasika ilay toriteny nataon’i Jesoa tao Kafarnaoma no sakafom-panahintsika. Ny hahavoavonjy antsika olombelona tsy an-kanavaka no nidinan’i Jesoa Kristy Zanak’Andriamanitra teto an-tany. Ny fitsanganan-kovelona ho amin’ny fiainana mandrakaizay no famonjena andrandraina eto. Tsy mandeha ho azy anefa izany famonjena antsika izany fa mitaky ny finoantsika an’i Jesoa Kristy, irak’Andriamanitra. Tsara homarihina fa tsy vokatry ny asa sy ny ezaka ataontsika akory ny hahafahantsika manatona an’i Kristy fa ny fahasoavan’Andriamanitra mandrakariva, izay mila italohoana aminy am-pitokiana tsy an-kijanona.

Tsaroantsika manokana etoana àry, ireo havana, tapaka sy namana efa nialoha làlana antsika ao an-tranon’ny Ray, mba ho afaka hiara-higoka hatrany ny famindram-pon’Andriamanitra.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 oktobra 2025

• Hampahafantarina amin'ny fomba ofisialy, ny 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Hotanterahana eny Bevalala ny fangataham-pahasoavana sy fametrahana eo ampelatan'Andriamanitra ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fahazavan'ny Fiadanana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fanantenana ho an'izao tontolo izao ny Fahamasinana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...