Alarobia 12 ôktôbra 2022 — Jan Beyzym, Olontsambatra — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalanao, ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 1, 40-45
Ry kristianina havana ; isaky ny 12 oktobra isika eto Madagasikara dia mankalaza an’i Mompera Jean Beyzym olontsambatra. Misiônera zezoita pôlôney izy. Nitsabo ireo marary no tena nanokanany ny fiainany, eny, hatramin’ny marary hoditra. Antananarivo sy Fianarantsoa no tena niasany.
Momba ny nanasitranana olona boka iray no ambaran’ny Evanjely. Fanambarana lehibe sady fihavaozana satria tsy mahazo mifanerasera amin’ny fiarahamonina ny boka fa ndrao mamindra ; atoka-monina ary tsy azo ifaneraserana koa. Narodan’i Jesoa izay rindrina mampisara-bazana sy manilikilika izay ; nekeny ny nohatonin’ilay boka : nahinjiny ny tanany ary notendreny ilay marary ka sitrana. Mila famonjena avy amintsika ny marary na inona aretiny, toy ny hoe mikarakara sy mamangy, miantso pretra hanosotra azy ireny satria tanan’Andriamanitra mitsotra ny tanan’ny pretra manome Sakramenta.
Na dia noraran’i Jesoa tsy hilaza momba an’i Jesoa sy ny nahasitrana azy aza ilay sitrana dia tsy tana fa notantarainy hatraiza hatraiza. Ny antony nandraran’i Jesoa tsy hatao malaza moa dia ny tsy handraisan’ny olona azy ho toy ny mpanao mazia na mpanao fahagagana fotsiny. Nihataka i Jesoa dia ny olona amin’izay no nanatona. Izay no tanjona hoe manatona an’i Jesoa amin’ny nahim-pony ny olona tsirairay. Hangetaheta ny fanasitranan’i Jesoa anie isika, hivavaka sy hikarakara ireo marary, homban’ny vavak’i Mompera Jean Beyzym, Olontsambatra. Amen.