Alakamisy 29 septambra 2022 — Masina Michel, Gabriel, Raphaël, Arakanjely — Misaora ny Tompo, ry Tafiny rehetra, izay mpanompo mankatò ny sitrany — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 1, 47-51

Mankalaza ny fetin’ny Arakanjely Misely, Gabriely ary Rafaely ny Eglizy anio. Ny Soratra Masina dia samy nanambara ireto Arakanjely ireto. I Misely amin’ilay ady nataony tamin’ny anjely mpikomy, i Gabriely ilay nanambara tamin’i Maria ny hiterahany an’i Jesoa (Lk 1, 19), i Rafaely tamin’ny nanampiany an’i Tobia. I Jesoa mihitsy koa no manambara ny fisian’izy ireo teo amin’ny asany. Mpitondra hafatra, iraka ny dikan’ny anjely. Noho izany indrindra, nandray anjara teo amin’ny tantaram-pamonjena sy ny fisian’Andiamanitra izy ireo.

Araka ny katesizy, ny anjely dia zavaboary fanahy fotsiny, manan-tsaina sy sitra-po fa tsy manam-batana ka tsy hitan’ny maso. Manome voninahitra tsy an-kijanona an’Andriamanitra (Sal 148, 2) sy manampy ny olombelona amin’izay rehetra mahasoa azy (Sal 34, 8). Manotrona an’i Kristy Tompony koa ny Anjely ary manompo Azy manokana (Mt 4, 11 ; Hb 1, 6) amin’ny fanatanterahana ny asam-pamonjena ny olombelona (Lk 12, 8-9 ; Hb 1, 13-14).

Ny Arkanjely Misely dia hoe "Iza no tahaka an’Andrimanitra". Izy no nitarika ireo anjely hiady amin’i Losifera sy ireo fanahy ratsy. Araka ny lovan-tsofina dia antsoina sy angatahina ny Arakanjely Misely rahefa hiady amin’i Satana, rahefa hamonjy ny fanahin’ny kristianina eo ambanin’ny fahavalo, indrindra eo ambavahaonan’ny fahafatesana, rahefa te-hahazo fandresena, rahefa hiatrika ny fitsaran’ny fanahy hiala amin’ity tany ity.

Ny Arkanjely Gabriely dia hoe : "Ny herin’Andriamanitra". Izy no niseho tamin’i Maria sy nanambara ny fahaterahan’i Joany Baptista. Noho ny asany, i Maria, i Josefa, i Zakaria, i Elizabeta sy ireo mpiandry ondry dia nandray ny fahasoavana ny herin’Andriamanitra ka nandray sy nino ny Vaovao Mahafaly amin’ny fahatongavan’ny Mesia.

Ny Arakanjely Rafaely dia hoe "Andriamanitra manasitrana". Hita ao amin’ny bokin’i Tobia. Izy no nampahiratra an’i Tobia rainy. Antsoina izy rahefa mangataka fanasitranana sy ny indrafon’Andriamanitra. Izy koa no heverina ho ilay voalaza ao amin’i Masindahy Joany 5, nanasitrana ny aretina rehetra ho an’izay voalohany tafarotsaka tao amin’ilay rano mihetsika.

Ry Kristianina havana sarotra matetika ny ahatsapantsika ny fisian’ireto arakanjely sy ny anjely noho izy ireo fanahy, kanefa izy ireo no iraka alefan’Andriamanitra hiaro antsika amin’ny lalana mbola lavitra izorantsika. Ho tsaroantsika sy antsointsika am-pinoana izy ireo amin’ny fivahinianana ataontsika mba hiaro sy hiambina antsika. Noho izany tsy manirery isika eo amin’ny fiainana andavanandro, matetika isika misy fotoana tena itadiavana namana hanampy, hankahery, hitsabo, fa adino indraindray ny miantso ireo anjely. Ny anjely mihitsy no nikarakara an’i Jesoa rahefa tany an’efitra (Mk 1, 13).

Ry Jesoa ô, ianao mihitsy no milaza ny fisian’ny anjely ary mahagaga koa ny fandaharana ataon’Andriamanitra amin’ny sampan-draharaha sahaza ny anjely sy ny olombelona ; enga anie ny fiainanay nankininao amin’ireo manompo anao any an-danitra mba hahazo hery lalandava ety an-tany. Amen.

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...