Alarobia 3 aogositra 2022 — Herinandro fahavalo ambin'ny folo mandavantaona — Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 15, 21-28

Rehefa avy niady hevitra tamin’ireo Farisianina mahakasika ny mety mandoto sy mampadio ny olona i Jesoa, ny hoe ny zavatra avy ao anatiny olona no mandoto azy fa tsy ny zavatra avy ety ivelany, dia tonga tany amin’ny tany Tira sy Sidona Izy, mbola tsy nandray sy tsy mahalala ny tenin’Andriamanitra ny olona nonina tao. Indro àry nisy vehivavy Kananeanina niantso Azy mafy mba hanasitrana ny zanany vavy fa ampijalian’ny demony. Etsy andaniny ihany koa ireto mpianatra miangavy mba handroaka ity vehivavy ity fa mikiakiaka manakorotana azy ireo. Ka na dia nanambara mazava ny iraka nanirahana Azy àry i Jesoa ny hoe : "tsy nirahina afa-tsy ho an’ny taranak’i Israely" ihany Izy, dia mbola nanao lemozy, niangavy mafy taminy ity Kananeanina ity. Ary naneho fanetren-tena lalina teo anatrehan’i Jesoa hoe "avelao ny amboakely mba hihinana ny sombintsombiny latsaka avy amin’ny latabatry ny Tompony ihany". Izany valinteny feno fanetren-tena izany no nideran’i Jesoa Azy hoe lehibe finoany : "Rahavevavy lehibe ny finoanao", ary sitrana niaraka tamin’izay zanany vavy.

Eto i Jesoa dia te hampiseo amin’ny mpianatra hoe natao ho an’ny olona rehetra ny famonjena, natao ho an’ireo izay rehetra matoky sy mino azy. Ny famonjena avy amin’Andriamanitra dia natao ho an’izay rehetra vonona hanokatra ny fony handray azy, tahaka ity vehivavy Kananeanina ity. Mitovy daholo isika olombelona rehetra eo anetrahan’Andriamanitra, efa vahoaka nofidiny avokoa isika rehetra ka mendrika handray famonjena avy Aminy. Koa mifampivavaha àry isika, mba handrotsahan’Andriamanitra ny fasoavany ka hanana fo madio, vonona handray ny teniny ary haneo fihetsika tsara sy azo halain-tahaka, manintona ny hafa hanatona an’Andriamanitra fa tsy ho zary sakana mampiverin-dalàna ny hafa hanalavitra an’Andriamanitra.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 mey 2024

♦ Ny asan'ny mazava dia ny soa, ny fahitsiana ary ny fahamarinana, io lohateny entin'ireo Eveka hanentanana ny vahoakan'Andriamanitra sy ireo tsara sitrapo rehetra, ao anatin'ny hafatra izay navokan'izy ireo... ♦ Ny fiveranan'i Jesoa any amin'ny Rainy, dia tsy tokony heverintsika ho toy ny fialantsika ety an-tany, fa ho toy ny fahitantsika dieny mialoha izy hiafarantsika, ary satria i Kristy efa nampiseho antsika ny làlana, dia nanentana ny mpino rehetra ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, mba hanatanteraka ny asa rehetra amim-pitiavana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...