Alakamisy 21 jolay 2022 — Herinandro fahenina ambin'ny folo mandavantaona — Misaotra Anao Aho, ry Ray, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 13, 10-17

Nahoana no fanoharana no hitenenanao aminy ? Ny vahoaka dia eny amoron-dranomasina no itenenan’i Jesoa. Ny mpianatra kosa dia ireo tapa-kevitra ka manatona azy, vonona ny hiakatra eo an-tsambokely miaraka aminy, vonona hiaino ny hevitra miafina ambaran’ny fanoharana, ireo no hanehoana ny tsiambaratelon’ny fanjakan’ny lanitra.

Amin’ny maha mistery ny fanjakan’Andriamanitra dia tsy natao hazava amin’ny alalan’ny fanaporofoana ara-tsiansa araka ny mahazatra antsika olombelona na koa tsy maintsy takatry ny saina sy azo tsapain-tanana izy mba mba hiekena ny fisiany sy ny fahamarinany. Fa ny fahatakarana ny fanjakan’Andriamanitra sy ny zava-miafina eo aminy dia fahasoavana vokatry ny finoana.

Enga anie isika tsy handraraka an-tany ny hasin’ireo Sakramenta sy ny Tenin’Andriamanitra ary ny fivavahana. Izay toy ny toko telo hahamasaka ny fiainana kristianina.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...